« Mozika avotr’aina » – Nafana ny seho niarahana tamin-dry Régis Gizavo
Notanterahina tetsy amin’ny Dôme Rta Ankorondrano, ny zoma lasa teo, ny seho goavana niarahana tamin-dry Regis Gizavo, Olombelo Ricky, Monika Njava ary i D-Gary. Nandrasan’ny maro tokoa ity hetsika ity satria adiny iray mialoha ny fampisehoana dia efa hipoka mpijery ny antsasa-manila ny efitrano. Tsindrian-daona tokoa noho izany ireto mpijery, efa maika hankafia ireo hira izay atolotr’ireto mpihira fanta-daza ireto, hany ka vao niakatra ny sehatra i Regis Gizavo sy ireo mpanaradia azy dia horakoraka sy sioka mafy no nandraisan’ny mpijery azy ireo. Hita teo amin’ny endrik’ireto mpanakanto nandritra ny alina tontolo ny hafaliana sy ny fahafahampon’izy ireo, noho ny hafanana niarahana nizara niaraka tamin’ny mpankafia azy ireo.
Ireo hira nahafantarana ireto mpanakanto kalaza ireto moa dia saika noventesina ny alina tontolo avokoa, raha tsy ilaza afa-tsy « Taratra hazavana » an’i Olombelo Ricky, « Malaso » an’i Regis Gizavo izay noravahin’ny feo mangan’i Monika sy ny fahaizan’ i D-Gary mitendry gitara. Ny azo lazaina dia nahazo fahafahampo avokoa ireo izay tonga tamin’ity seho miavaka iray ity. Marihina moa fa entina manampy ireo fianakaviana izay iharan’ny Kere any atsimo ity hetsika mitondra ny lohateny hoe « Mozika avotr’aina » ity.
T.A.