Mpitondra mandainga – Mbola misy ny delestazy
Tsy mitombina ny fanambaran’ny mpitondra Fanjakana ambony sasany fa nifarana hatreo ny delestazy. Mbola misy foana ary matetika sy maharitra ny fahatapahan-jiro eto an-drenivohitra sy any amin’ny faritra maro manerana ny Nosy. Ny faran’ny herinandro lasa teo izao dia maro no nitaraina fa tena nampijalian’ny fahatapatapahanan’ny herinaratra. Naharitra ora maro mihitsy izany ho an’ny faritra marobe ka nisy tamin’ny alina fijerena vaovao, nisy tamin’ny atoandro fanaovana fety ary nisy tao anatin’ny fotoam-pivavahana. Na « coupure » na delestazy no iantsoan’ireo tapi-pahaizana azy, tsy mahalala izany ny vahoaka fa ny zava-misy dia tapaka foana ny jiro. Tsy nohajain’ireo teknisianina ny baikon’ny filoham-pirenena ny amin’ny fanafoanana tanteraka ny delestazy. Tsy mahavaha olana akory ny fanomezana ny fitantanana ny fitaovan’ny Jirama Mandroseza ho an’ny vahiny ary ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ny orinasa tsy miankina eny Antanandrano.
Mijaly ny vahoaka ary tena leo sy tofoka amin’ity resaka fahatapahan-jiro tsy misy farany ity. Telo volana no nampanantenaina tany am-boalohany nefa efa hifarana ity ny roa taona tsy hita izay vahaolana nahafa-po naroson’ny Fanjakana. Tsy nandroso ary tsy niroborobo ny sehatry ny famatsian-jiro fa vao mainka mikoroso fahana sy mihemotra. Izay nosimbaina ihany no namboarina nefa tsy tafaverina amin’ny laoniny akory. Vokany, fatiantoka amina miliara no azon’ny orinasa tsy miankina sy ny vahoaka madinika manao asa velon-tena mampiasa herinaratra. Simba avokoa ny ankamaroan’ny fitaovana mandeha amin’ny herinaratra any an-tokantranon’ny olona rehetra any.
Dom