Vous êtes ici :

Jeudi 28 Novembre 2024

ombre

Higoka ny ranomasom-bahoaka

Hanakoako ho ren-tany ren-danitra anio ary atao miharihary ho hitan’ny vahoaka ny fifampiarahabana tratry ny taona izay hifanaovan’ny Filoham-pirenena sy ireo olona ambony izay atao eny amin’ny lapam-panjakana Mavoloha. Vola be efa ho amina miliara no fantatra fa ho laniana amin’ity lanonam-be amin’ny samy mpanefoefo ity ary olona an’arivony no nasaina. Tsy ny vahoaka malagasy sady tsy solontenan’ny avy eny ifotony ireo nasaina ireo fa ny manan-katao sy efa samy mpiara-mitavana ny harem-pirenena ihany. Mbola volam-panjakana ihany koa, izany hoe an’ny vahoaka no ho laniana hamokisana ireo vahiny sokajiana ho manan-kaja. Ireo malagasy miisa 22 tapitrisa kosa dia mpitazana ihany ary mpiandry ny akon’izay zava-nitranga fotsiny. Mahagaga tokoa fa tsy mbola nisy ny fikarakarana fety na dia isam-paritra fotsiny aza mba iarahan’ny fitondram-panjakana foibe mifaly amin’ny vahoaka amin’ny fahatrarana ny taom-baovao ka hidinan’ny filoha ifotony miarahaba ireo olom-pirenena tena mandrafitra ny antsoina hoe malagasy tompon’i Madagasikara.

Raha fety be ny eny Mavoloha anio dia azo antoka fa adinon’ireo manam-pahefana fa am-polony tapitrisa ny malagasy no zara fa mihinan-kanina ary an’hetsiny ireo tena tsy ampy sakafo. Isaky ny handrapaka vetin-tsakafo iray sotro rovitra sy hitelina zava-pisotro iray goty ireo nasaina eny Iavoloha dia tokony hahatsiaro hatrany fa misy malagasy tsy mihinana eto amin’ny firenena nefa volan’ireny tsy mihinana ireny no nividianan’ny Fanjakana ny sakafo ho azy ireo. Tsy sanatria mandatsa aman-kanina saingy kosa ny sakafo be arahin-dromoromo tsy mahaleo ny tapa-kibo arahin-tsetsetra. Tena mahantra sy mijaly ny malagasy nefa ezahin’ny mpitondra takonana amin’ny alalan’ny fisehosehoana fa mahavita laonana goavana izany fahoriam-bahoaka izany.

Ho talanjona ireo vazaha nasaina eny Mavoloha sy ny malagasy izay mpitazana eny an-dalana fa an-jatony maro ny fiarakodia lafo vidy hitanjozotra hiakatra ny lapa anio. Mampiseho izany fa tsy mafy ady araka ny zava-misy ny malagasy satria mbola maro ny mahavidy fiara tsy takatry ny vazaha. Karazan’ny takokenatra ihany anefa ireny satria ampahan’olom-bitsy dia vitsy izay tsy ampy iray isan-jaton’ny mponina akory no misitraka izany. Maro amin’izy ireny volam-panjakana ihany no hanakaramana azy sy hividianana ny fiara entiny ary ihany koa mampieboebo azy nefa tsy hita akory izay vokatra atolotra ny vahoaka izay resahina lava fa tompon’ny fahefana. Tompony mangataka atiny tokoa angaha satria malaza tsy ihinanana toa lovian-tsahona fotsiny ny harem-pirenena eto amintsika. Ny vazaha sy tontakely ary ny mpisoloky iraisam-pirenena ihany no mitavana izany fa ny malagasy natao mpiasa hanompo fotsiny.

Malahelo ny vahoaka ary kivy nefa tsy miteny noho ny fahendrena sy ny fihavanana. Lasa araraotin’ny mpitondra io fahendren’ny malagasy tsy tia korontana sy adiady io ka hanaovan’izy ireo izay sitra-pony sy izay danin’ny kibony. Ho maro ireo mpandokadoka no hitehaka sy hihoby rehefa hitantara ny filoham-pirenena anio fa nahavita be mihitsy tamin’iny taon-dasa iny ary mbola hahavita be kokoa noho izany amin’ity taona ity. Hirarakompana ireo kabary fampanantenana fa havadika ho toy ny paradisa i Madagasikara ka hanjaka ny filaminana sy fandriampahalemana ary ny asa fampandrosoana.  Mazava ho azy fa ho voaresaka amin’izany ny toe-pahasalaman’ny fifandraisana amin’ny sehatra iraisam-pirenena izay lazaina fa tonga amin’ny tsara indrindra satria sady mankatoa ny fitondrana ny vazaha no mbola mampanantena fiaraha-miasa sy famatsiam-bola tsy hita pesipesenina ho fampandrosoana an’i Madagasikara. Toa resa be hatrany anefa izany ary tsy mba misy akony ho an’ny fianam-bahoaka mihitsy hatreto.

Raha ny hita aza dia miha mahantra ny firenena, mihasimba ny foto-drafitr’asa rehetra, ary voasokajy ho anisan’ny vahoaka farahidiny maneran-tany ny malagasy. Tsy lahatra akory ny fahantrana hoy ny mpanao politika iray ary novalian’ny iray hafa hoe ny asa vita no ifampitsarana. Raha ireo no dinihina dia vokatry ny tsy fahombiazam-pitantanana no mampahantra ity firenena ity. Ry zareo “olona ambony”anefa tsy menatra ny hisesika sy higoga eo ambonin’ny ranomasom-bahoaka. Tsy azo atao rahateo ny mampiseho alahelo fa tsy hitsitsy ny mpitandro filaminana raha misy olona mikasika ny hanao hetsika tsy fankasitrahana ity fandaniam-bolam-panjakana miharihary ity. Izany ny demokrasia eto amintsika.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre