Vous êtes ici :

Jeudi 28 Novembre 2024

ombre

Vita fety – Mivarilavo ny ankamaroan’ny malagasy

Fara-fety mangady ovy ! Io no azo isokajiana ny ankamaroan’ny vahoaka malagasy amin’izao vita fety izao. Maro ny olona izay nanao fandaniam-poana nandritra ny fety roa sosona izay natrehana farany teo ka tsy nieritreritra ny ampitso intsony. Samy mikaroka hevitra izay hanatsarana sy hampametimety ny ankohonany ny tsirairay rehefa tonga ny krismasy sy ny taom-baovao ka lasa mifaninana ny mpifanila-bodirindrana. Kanefa ny hatevin’ny paosy tsy mitovy.

Vokany, maro amin’izao fotoana izao ny malagasy no ianjadian’ny fahasahiranana ara-bola ka lasa misambotra eny amin’ny manodidina mba hividianana izay ho arapaka. Tsy vitsy ihany koa ireo lasa mivaro-pananana ao

an-tokantrano mba atakalo vola. Raha fintinina indraim-bava dia tena mivarilavo ny fiainan’ny ankamaroan’ny malagasy, noho ny, fahasahiranana ara-bola izay miseho amin’ny endriny samihafa.

 

L.N

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre