Vous êtes ici :

Jeudi 28 Novembre 2024

ombre

Ankorondrano – Mpivarotra môtô lehibe iray voasoloky tamin’ny seky sandoka

Tsy tery lalana tokoa ny ratsy amin’izao fasahiranana mianjady amin’ny firenena izao. Isan’ny hanatanterahan’ny sasany ny asa-ratsiny indray amin’izao fotoana izao ny fisolokiana amin’ny alalan’ny taratasim-bola na « chèque » sandoka izay hamitahany ny tranombarotra izay sendra azy. Orinasa iray mpivarotra kodiaran-droa eny Ankorondrano no voafitaky ny lehilahy karana iray tamin’ny alalan’ny taratasim-bola sandoka  volana maromaro lasa izay. Rehefa vita ny fifampivarotana dia naseho tany amin’ny banky ilay « chèque » ary teo no nahafantarana fa sandoka ilay izy. Lasan’ilay olona araka izany ny môtô izay mitentina maherin’ny 16 tapitrisa ariary.

Sarona teny amin’ny lehilahy iray hafa anefa io kodiaran-droa io, omaly maraina, teny amin’izany orinasa izany ihany. Ity farany izay tsy nanam-po na inona na inona fa handeha hikarakara ilay fitaovana no nahatongavany teny an-toerana. Araka ny filazany dia novidiany tamin’ilay karana ilay môtô. Tsy nanaiky izany kosa ny orinasa fa nogiazany avy hatrany ny entana. Nametraka fitoriana, noho izany, ilay milaza fa tompon’entana mba ahafahana maka ilay kodiaran-droa. Misokatra ny fanadihadiana. Efa mandeha ihany koa ny fikarohana ilay mpisoloky.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre