Vous êtes ici :

Jeudi 28 Novembre 2024

ombre

Agence Ambinintsoa – Mitondra fahombiazana ho an’ny mpiara-belona

Dimy taona izao no  nisian’ny Agence Ambinintsoa, eny Ambondrona, izay miandraikitra ny fanomezana sy fidirana eo amin’ny sehatry ny asa. Mampivondrona ireo mitady asa amin’ny sehatra maro toy ny asa an-trano, mitaiza zaza, fiambenana, fikarakarana zaridaina sy manome fahafaham-po ho an’ireo mikaroka mpiasa ity ivon-toerana ity. Tsy vitan’izany fa mbola manome fiofanana maimaim-poana ireo mitady asa koa izy ka anisan’izany ny fahaiza-miaina, fifanajana, fahalalam-pomba, fifandraisana, fahadiovana, fampianarana sakafo ary ny fampahafantarana ny fitaovana misy ao an-trano, toy ny « gaz, aspirateur » mba ialana amin’ny fanambaniana ataon’ny mpampiasa. Miaro ny zon’ireo mpanampy amin’ny mety fisian’ny fikasian-tanana sy ny tsy fanomezana karama ataon’ny mpampiasa azy ireo ny Agence fa etsy ankilan’izay dia manome antoka ireo mpampiasa kosa izy ireo amin’ny faharetan’ ireo ankizy sy ny fanaovana sivana azy ireo. Araka ny fanazavan’i Felana Asmine Ramahakotroka, mpitantana ny Agence Ambinintsoa dia olona mbola tsy nigadra, tsy miala lava amin’ny toerana iasany fa mpanampy maharitra satria ny tanjona ny hahaleo-tena azy ireo fa tsy hiasa amin’ny olona foana. Ary mba hampirisika ireo ankizy dia mpiasa miisa 200 naharitra tamin’ny asany tamin’ny taona 2015 no nozaraina loka toy  ny vola mitentina iray hetsy ariary, akoho aman-borona, vary, kojakoja tokantrano ary kilalao ho an’ny zanaky ny mpiasa. Marihina fa ny Agence ihany no mandray an-tanana ireo mitady asa avy lavitra ka tafiditra ao anatin’izany ny fampiantranoana sy ny sakafon’izy ireo. Tanjona amin’ity taona ity ny hanokafana asa ho an’ireo kilasy mody, hoy hatrany ny mpitantana.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre