Vous êtes ici :

Jeudi 28 Novembre 2024

ombre

Mahajanga – Zaza 9 hatramin’ny 14 taona tratra nifoka rongony

« Isan’ny fototra mahatonga io firongatry ny fifohana rongony io ny tsy fahafahan’ny ray aman-dreny manara-maso ny zanany intsony. Toa mionona amin’ny fidirana sy fivoahana ny trano fotsiny izy ireo fa tsy misy mamantatra izay ao anaty kitapo sy izay nataony tany am-pianarana akory », hoy ny fanazavan’ny polisy ao Mangarivotra any Mahajanga. Ankizy 9 hatramin’ny 14 taona no saron’ny polisy tany an-toerana nanandrakandrana nifoka rongony.

Ho fisorohana ny tsy hiverenan’ny tranga tahaka izao dia ilaina ny fiaraha-miasa amin’ny tsirairay mba ampahafantatra ny mpitandro filaminana rehefa mahita azy ireo midoroka io zava-mahadomelina io, hoy ny polisy. Voakasik’izany ihany koa ireo mpivarotra rongony, satria matoa misy ny mifoka dia misy ny mpivarotra ka tsy tokony ho variana ireo ray aman-dreny, manoloana ny trangan-javatra tahaka izao, fa lasa mifanome tsiny amin’ny fandraisan’andraikitra ataon’ny mpitandro filaminana.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre