Vous êtes ici :

Vendredi 29 Novembre 2024

ombre

Vahoaka voatampim-bava

Tsy mahazo miteny sy maneho ny heviny ary manao hetsika hanehoany ny tsy rariny vahoaka malagasy. Mazava be ny fanambaran’ny mpitandro filaminana fa tsy hamela na iza na iza hanao fidinana an-dalam-bfivoriana polkitika izany anio. Tsy nomena alalana ireo mpikarakara ny hetsika mikasika ny fitakiana ny famerenana ireo nosikelin’i Madagasikara bodonin’ny frantsay. Hanetroka indray izany ny baomba mandatsa-dranomaso ary hisy ireo ho voasambotra raha mianan-kendry mandika ny fandrarana ataon’ny manam-pahefana ireo mpanao fitakiana. Tsy misy mitady korontana anefa eto an-drenivohitra ary tsy hisy vahoaka na iray aza hankasitraka ny mety hisian’ny asa fanakorontanana mety hiteraka savorovoro sy fanimban-javatra. Tompon’andraikitra feno izay minia manao izany ary tokony hiharan’ny sazy faran’izay henjana. Tsy voatery hiditra amin’ny resaka korontana sy sakoroka anefa ny fitakiana an-dalam-be raha toa ka eo ny mpitandro filaminana hanara-maso izany. Azo atao tsara ny mamela ny olona haneho ny fitakiany ka halefa eny ny EMMOREG hanemitra syhanara-maso izay mitady hibilioka. Saonjo iray lohasaha rahateo tsy hilaozan’izay mamarara ary ny vory vahoaka tsy maintsy tafiditry ny mpikarama an’ady hanakorontana ka ireo no tokony ho tilina sy samborin’ny mpitandro filaminana fa tsy ny hetsika no rarana.

Amin’ny saina tsy miangatra dia ilaina ny fijoroan’ny vahoaka malagasy hiaro ny tanindrazany sy ny fananam-pireneny. Ireo manam-pahefana sy mpitandro filaminana sasany mantsy dia efa samy nilaza fa tsy haharesy ny vazaha velively isika raha toa ka sanatria misy ny ady. Eo amin’ny fitsarana iraisam-pirenena dia tsy hahovoka ny vazaha mihitsy ny gasy satria ny vazaha manana ny safidy tsy azo ivalozana eo anivon’ny firenena mikambana ka tsy misy firenen-dehibe ho sahy hanasazy azy mba hiarovana an’i Madagasikara. Amin’ny tena ady hifanandrinan’ny tafika ihany koa dia tsy holanin’ny malagasy mihitsy ny vazaha satria sady be traikefa no manana fitaovana faran’izay hary fomba ny vazaha. Raha ny manam-pahefana izany ho antenaina hiaro sy hiady ny hamerenana ireo tany ireo dia aleo mijanona satria fandaniam-potoana sy fandanian’andro fotsiny fa tsy hisy vokatra akory eo. Ny vola antenain’ny Fanjakana hanatanterahana ny tetikasam-pampandrosoana heveriny hanasoavana ny firenena aza mbola hotrosaina any amin’ny vazaha.

Manoloana izany rehetra izany anefa dia tsy irery ny mpitandro filaminana sy ny manam-pahefana fa manana ny vahoaka malagasy afaka manampy azy ireo. Rehefa tsy afa-miady izy ireo dia aleo ny vahoaka hiteny sy hitaky ary haneho amin’ny vazaha fa misy ny tsy an-drariny sy ny mizana tsindrian’ila ary tsy ekena ny fanaovana barofo ny fananan’i Madagasikara. Tsy ady no karakarain’ireo mpitarika ny hetsika fitakiana ireo nosy manodidina lasan’ny vazaha fa kosa fanehoana fa tsy mankasitraka izany ny vahoaka. Ny mitarika olona ho eny amin’ny masoivoho frantsay kosa aloha dia tokony tsy ho azo atao mihitsy sao sanatria misy ny fihoaram-pefy ka hanimba zavatra sy hiteraka olana hafa indray fa kosa tokony ekena ny fanaovana hetsika eny Ambohijatovo. Azo atao tsara ny manokatra ny kiajan’ny demokrasia hivorian’ireo mpanao fitakiana ary tsy mahazo mivoaka ao izy ireo fa ao ihany no manao ny antso sy fitakiana ary fanentanana. Manana andraikitra goavana amin’izany ny avy eo anivon’ny kaominina Antananarivo izay mitana ny lakilen’Ambohijatovo. Raha mivadi-belirano ka tsy manokatra io kianja io indray ry zareo dia karazan’ny mpiray tsikombakomba amin’ny vazaha ihany. Ny mpitandro filaminana kosa dia afaka mijanona manodidina ny kianja ary mitily sy misambotra ary manasazy izay mitady hanakorontana satria. Tsy azo adinoina mihitsy fa tsy mpifandray ny vahoaka sy ny mpitondra ary ny mpitandro filaminana. Afaka miray hina tsara ireo toko telo mahamasa-nahandro ireo ka mifanome tanana hahafahana manao fitakiana manaraka ny lalàna sy ny demokrasia mba hanehoana fa tany manana ny hasiny sy ny fiandrianam-pireneny i Madagasikara. Tsy fanampenam-bava ny malagasy amin’ny alalan’ny baomba mandatsa-dranomaso ny vahaolana fa ny fiaraha-mientana mbna hisian’ny fifampitokisana sy firaisan-kian eo amin’ny mpitondra sy ny vahoaka.

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre