Vous êtes ici :

Jeudi 28 Novembre 2024

ombre

Fanafihana mitam-piadiana – Mpianaka naolana andian-jiolahy

Lasa faritra mena amin’ny  tsy fandriampahalemana tanteraka any Soanierana Ivongo amin’izao fotoana izao.  Miaina ao anatin ’ ny tebiteby sy ny tahotra ny mponina any an-toerana amin’ny afitsok’ireo jiolahy. Nitrangana fanafihana mitam-piadiana tao an-tampon-tananan’i Soanierana Ivongo, ny alarobia hifoha alakamisy, tamin’ny 1 ora maraina. Renim-pianakaviana iray sy ny zanany vavy tsy ampy taona no nanamparan’ireo jiolahy ny habibiany. Tsy tao an-toerana ny raim-pianakaviana tamin’io fotoana io fa lasa nanantanteraka iraka taty an-drenivohitra. Efa lasa lavitra ireo olon-dratsy vao sahy niantso vonjy izy ireo. Naratra mafy izy mianaka taorian’izay ary noentina haingana tany amin’ny hopitaly. Lasan’ireo ny vola 2 tapitrisa sy ny entana sarobidy tao an-trano.

Mandry tsy lavo loha ny mponina

Mihorohoro tanteraka, noho ny, asan-jiolahy ny mponina any an-toerana. Araka ny vaovao voaray dia tsy mifidy olona sy ora hanaovana ny asa ratsiny ireo mpanafika fa izay tratrany dia mitondra faisana avokoa. Mitombo isa hatrany ireo olon-dratsy ao an-tampon-tanànan’i Soanierana Ivongo. Ankoatra ireo mpanao fanafihana mitam-piadiana dia hita manerana ny tsena sy ny toerana maro olona ny mpanendaka, ny jiolahy manao hazalambo ny mpandraharaha sy ny olon-tsotra amin’ny fandrobana miharo herisetra.

Laurena Nany

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre