Vous êtes ici :

Jeudi 28 Novembre 2024

ombre

Kamiao lehibe nivadika – Tapaka ny lalana mihazo an’Ampanefena

Kamiao lehibe iray mitondra kaontenera nisy simenitra 25 taonina no nivadika teo am-povoan-dalana, omaly maraina, tamin’ny 10 ora sy sasany, tany amin’ny lalana mampitohy Ampanefena sy Sambava. Avy any Vohemara io kamiao ary io nivadika tampoka rehefa tonga tao Antanimenabe izay lalana 4 kilometatra niala ny tananan’Ampanefena. Ny mpamily sy ny mpanampy azy ihany tao anatin’izany fiara izany. Araka ny fanambaran’ny mpamily dia ny fahalanian’ny hafainganam-pandeha no nahatonga ny loza. Tery ilay lalana ary ka raha nihemotra ilay fiara dia nivadika avy hatrany. Tsy nisy koa ny aina nafoy fa ilay mpanampy ny mpamily no naratra mafy. Araka ny fantatra dia tapaka mihitsy ny tratran’ilay lehilahy.

Nahasorena ireo mpampiasa izany lalana izany kosa ity lozam-pifamoivoizana ity, indrindra ireo taksiborosy. Tapaka tanteraka mantsy ny lalana, noho, io kamiao io mitsivalana be eo an-dalana. Efa misokatra ny fanadihadiana sy ny fomba rehetra hanalana io fiara io eny am-povoan-dalana.

 

 

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre