Mahazo – Fiara nirehitra tampoka teo amin’ny arabe
Hatairana ny an’ireo olona teny Mahazo sy ny manodidina, omaly atoandro, tokony tamin’ny 12 ora, raha nahita ny fiara kely iray nirehitra tampoka teo amin’ny arabe. Kila hotohoton’ny afo tanteraka ary tsy avotra intsony vokatry ny fahamaizana ilay fiara. Tsy fantatra kosa ny nahatonga ny fahamaizana fa efa afo nijoalajoala no nohezahin’ny olona nifanomezana tanana novonoina saingy tsy nisy azo natao intsony fa niitatra nahazo ny vatan’ny fiara iray manontolo izany. Tsy nisy kosa ny aina nafoy fa niteraka fitohan’ny fifamoivoizana nandritra ny ora maromaro ity firehetana ity. Tokony hitandrina hatrany ny mpamily fiara manoloana ny tranga tahaka izao fa tsy ampoizina ny fiavian’ny loza.
L.N

Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40
Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana
Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky. Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny