Vous êtes ici :

Jeudi 28 Novembre 2024

ombre

Mandritsara – Nidoboka am-ponja ireo mpangalatra omby

Nampametra-panontaniana ireo mpanara-baovao any Mandritsara ny fizotran’ny raharaha halatr’omby niseho tany an-toerana, ny sabotsy 2 janoary lasa teo, nandritra ny tsena sabotsibe izay natao hivarotana omby. Rehefa ela nikaroka ny ombiny mantsy ny lehilahy iray avy any Port-Bergé dia sarony tao amin’io tsena voalaza io ny ombiny miisa 40. Nampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany ilay tompon’omby ary nidina teny an-toerana ireo voalohany nijery ny zava-misy. Rehefa notakiana ny taratasin’omby ireo mpivarotra dia taratasy mazava tsara no nasehony. Tsy nanaiky izany anefa ny tena tompon’omby fa nampiseho koa taratasy manamarina fa azy ireo omby ary rehefa nohadihadiana fatratra ireo mpivarotra dia niaiky ihany fa hosoka ny taratasy nasehon’izy ireo. Nisamborin’ny zandary ireo nanesy sy nivarotra ireo omby avy eo ary taorian’ny fandalovan’izy ireo manoloana ny fitsarana dia nadoboky any am-ponja.

Tsy misy fanenjehana ireo nanao ny taratasy

Nahasorena ireo mponina any an-toerana ny tsy fanenjehan’ireo tompon’andraikitra nisahana ity raharaha ity ireo olona nanao ny taratasy hosoka. Anefa dia tsy maintsy nandalo ny « délégué », ny veterinera nanao ny karatr’omby ary ny ao amin’ny distrika izay nanome fanomezan-dalana ny fivoahan’ny omby tany Port-Borgé. Araka ny loharanom-baovao anefa dia nandalo barazin’ny mpitandro filaminana maherin’ny fito ireo omby vao tonga any Mandritsara. « Araka ny tsilon-tsofiny re dia misy baiko midina avy any ambony manery ny tsy hikasiana ireo nanao ny taratasin’omby hosoka ireo. Ho avela ho afa-bela fotsiny ve anefa ireo tompon’andraikitra rehetra ireo. Tsy sambany no nisy tranga tahaka izao niseho taty Mandritsara fa efa fanindroany izao. An’iza ny lalàna ary natao an’iza izany ? », hoy hatrany ny loharanom-baovao avy any an-toerana.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre