Vous êtes ici :

Jeudi 28 Novembre 2024

ombre

Reniranon’i Pangalana – Hita ny fatin’ilay vehivavy navadikin’ny lakana

Roa andro taorian’ny nampivadika ilay lakana mandeha maotera iray, tany amin’ny tanàna Andrangalava, kaominina Fetraomby, distrikan’i Brickaville dia hita natsingevan’ny reniranon’i Pangalana, ny alarobia lasa teo, ny fatin’ilay vehivavy tsy hita popoka. Efa simba tanteraka ny razana tamin’ny fahitana izany ka tsy noandrasana intsony fa avy hatrany dia nalevina rehefa vita ny vata-paty nasiana azy. Raha tsiahivina dia ny alatsinainy 4 janoary, tokony tamin’ny 8 ora maraina, no nitrangan’ny loza, noho, ny fahasimban’ny maotera. Nidona tamin’ny vato ilay lakana ka nivadika izay niteraka fahafatesan’ny zazavavy kely 3 taona fa tsy hita popoka kosa ilay vehivavy tamin’izay fotoana izay. Noho ny, vesatra tafahoatra nentin’io lakana io no fantatra fa antony nampivadika izany. Efa mihoatra ny 2 taonina sy sasany ny vesatra tafahoatra tamin’io fotoana io, satria novinavinaina ho hatrany amin’ny 30 isa mahery ireo olona noentin’ilay lakana, araka ny loharanom-baovao. Marihina fa vao niseho sy nitranga ny loza dia nandositra ny mpamilin’ilay lakana sy ireo mpiasa tao. Mitohy ny fikarohana azy ireo.

 

Laurena Nany

 

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre