Vasoka imasom-bahoaka
Nahitsy toraka ny sojaben’ny masoivoho vahiny monina sy miasa eto Madagasikara raha namasoka ny mpitondra malagasy ho tsy mahay sy tsy mahavita azy. Nolazainy mazava tsy nisy olakolaka fa tsy ny mpiara-miombona antoka ara-teknika sy ny mpamatsy vola iraisam-pirenena, mihitsy no mahatonga izao fahantrana lalim-paka eto Madagasikara izao fa noho ny tsy fahombiazan’ny mpitondra Fanjakana. Tao anatin’ny kabary dia nametraka, ihany koa, ny masoivohon’i Maroc izay mpitondra tenin’ny sehatra iraisam-pirenena fa tena mahatra sy sahirana i Madagasikara. Aleo mihitsy ny vahiny no hiteny sy hilaza ny marina mivantana amin’ny alalan’ny fanamafisam-peo mba ho ren’ny mpitondra Fanjakana malagasy fa tena latsaka any lavaka mangitsokitsoka ity firenena ity. Rehefa ny vahoaka madinika mantsy no miantso vonjy sy mitaraina dia tsy misy mpihaino. Raha mba mitatitra ny tsy mety ny mpandalina ny fiainam-pirenena dia lazaina fa mpanenjika sy mpanaratsy.
Mahatalanjona ny maro ny fireharehan’ny mpitondra ankehitriny fa tena miasa sy mahavita ny mpitondra ary misy fiantraikany any amin’ny fiainam-bahoaka ny asa ataon’izy ireo. Tsy mety miaiky mihitsy izy ireo fa firenena fadiranovana maneran-tany i Madagasikara ary tena faran’izay mahantra ny vahoaka malagasy. Nisy aza sahy nilaza mihitsy fa tsy vao izao ny fahantrana no nisy teto amin’ity firenena ity fa efa hatramin’ny fahaleovantena. Tena marina io fanehoan-kevitra io saingy adinon’ilay manam-pahefana niteny izay fa io antony io no nahatonga ireo mpitondra nifandimby niongana sy naloan’ny vahoaka avokoa. Be kabary sy mpanao fampanantenana poak’aty ka tsy nahatontosa izay nolazainy fa fampandrosoana ho an’ny ny vahoaka ireo mpitondra nifandimby ka nidoboka sy niongana avokoa izy rehetra. Matoa ny vahoaka malagasy nanaiky hiditra amin’ny Repoblika fahefatra sady manaiky ny mpitondra ankehitriny dia miandrandra fa tsy toy ireo teo aloha instony ka hanatanteraka ny fampanantenana rehetra. “Mila fiovana ve ianao? Fidio ny Hery vaovao”, io no lohahevitra nanentanana ny mpifidy mba handrotsaka ny biletan’i Hery Rajaonarimampianina fony izy kandida ho filoham-pirenena. Nony tonga eo amin’ny toerany anefa izy dia mbola sahy mangataka faharetana kely avy amin’ny vahoaka ihany, roa taona aty aorian’ny nandraisany ny fahefana. Haharitra hatraiza ary mandra-pahoviana anefa? Ela ihany izay niandrasana fampandrosoana teto amin’ny firenena izay saingy tsy hita izay tena zavatra nisdongadina fa dia ny fifanilihana andraikitra no tena nanamarika ny fihetsiky ny mpitondra.
Tsy nisalasala mihitsy ireto farany nanilika ny tsy fahombiazana tany amin’ny loza voajanahary sy ny mpanao politika ary ny mpiara-miombona antoka vahiny. Ny loza voajanahary moa tsy afa-miteny ka dia kabary tsy valiana no nisy. Ny mpanao politika avy amin’ny mpanohitra kosa indray izay nosokajiana ho mpanenjika sy mpanaratsy dia tsy nomena fitenenana tsotra izao teny Iavoloha ka dia kabary tsy valiana ihany iny. Tsy nanaiky lembenana anefa ny masoivoho vahiny fa tonga dia namotsi-boamaso ny mpitondra malagasy ary nilaza fa tsy ny mpamatsy vola no fositra fa ny mpitondra no tsy mahay ka mahatonga izao fahantrana izao. Nikarepoka sy nilentika mafy tany amin’ny mpitondra malagasy iny kabarin’ny masoivoho marokana iny nefa an’inona moa? Hikopaka sa hamely fantsy? Tsy afaka ny hamaly satria atody tsy miady amam-bato. Mbola miantehitra amin’ny volan’olona ary mbola hangataka any aminy ka tsy sahy ny hiaro tena na dia amin’ny alalan’ny kabary fotsiny ihany aza satria matahotra. Raha vahoaka madinika na mpitarika sendika, na mpanao politika, na mpanao gazety no niteny toy ny nataon’ny sojaben’ny masoivoho vahiny iny angamba dia nisarongatra nampiaka-peo toy ny fanaony ireo be fahefana sy tsy azo hivalozana rehetra eto amin’ny firenena. Nibitaka ny vahoaka teny an-dalana rehetra teny ary maro ireo nilaza hoe “sendra ny nahay azy”. Mba voa koa indraindray e!
Ravalo tsy Manana