Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

Nanasaraka olona niady – Miaramila iray maty voatsindron’antsy

 

Tsy tana intsony ny ain’ilay miaramila fa maty teo no ho eo, vokatry ny tsindron’antsy nihatra taminy. Nanasaraka olona roa niady no nahatonga ny loza. Maty teo am-perinasa ity miaramila ity, araka ny tatitra voaray avy amin’ny zandary.

Nisy olona roa niady, tao amin’ny fokontany sy kaominina Antsoha, any amin’ny distrikan’Antsiranana II, ny 7 janoary lasa teo, tamin’ny 9 ora alina. Tsy fantatra ny nahatonga ny ady fa sendra nandalo avy niasa ilay miaramila no nahita izany ka niezaka nanelanelana ireo lehilahy roa. Tsy nanaiky nosarahana anefa ireto farany fa vao mainka nihamafy ny fifandonana. Tsy vitan’izany fa mbola naka antsy kely avy any anaty paosiny ny iray tamin’ireo mpifanandrina ary raha hanindrona izany an’ilay nifandona taminy dia nahavoa ilay miaramila. Nahazo teo amin’ny faritry ny kibony izany ary nahavoa ny tsinainy tany ka nitarika ny fahafatesany. Noraisin’ny fianakaviana ny razana taorian’ny fizahana nataon’ny mpitandro filaminana sy ny mpitsabo.

Natahotra ny iharan’ny fitsaraham-bahoaka dia nandositra avy hatrany ilay nahafaty io mpitandro filaminana io. Nilaza tsy hipetra-potsiny, raha teo, ny fianakavian’ny maty sy ireo fokonolona vavolombelon’ilay tranga. Efa mandeha ny fikarohana ilay nahavanon-doza.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre