Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

Lozam-piaramanidina­ – Nieren-doza ireo mpandeha

Nisehoana lozam-piaramanidina, teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, distrika Ambohidratrimo, ny 9 janoary lasa teo, tamin’ny 7 ora sy 30 minitra hariva. Sendra ny tsy nampoizina ny fiaramanidina an’ny kaompania Turkish Airlines  avy any Istanbul Turquie, izay nipetraka teny Ivato, io alin’io. Araka ny fanazavana voaray dia lasa aloha loatra ny fipetrahan’ilay fiaramanidina ka nandona ny « antenne équaliseur » ny kodiarana haviany. Tsy nisy nahatsikaritra ny zavatra niseho ireo tompon’andraikitra teny an-toerana raha tsy efa ilay mpanamory niteny fa nahadona zavatra rehefa tafapetraka.  Tsy nisy ny aina nafoy na naratra teo amin’ireo mpandeha fa vaky kosa ny kodiarana havia aoriana ary simba ny « antenne ». Nandray fepetra kosa ny eo anivon’ny Biac amin’ny mba tsy hisidinan’io fiaramanidina io mandra-piandry ny fanadihadiana rehetra.

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre