Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

Lozam-piarakodia – Olona roa namoy ny ainy voafaokan’ny fiara

Lehilahy miisa 2 indray no maty nofaohan’nyfiarakodia, ny sabotsy lasa teo. Ny iray tovolahy 20 taona, ity farany izay voaporitra teo anelanelan’ny kamiao anankiroa, ny sabotsy tamin’ny 5 ora hariva, teny Ambohimangakely. Araka ny vaovao voaray dia nanoro lalana kamiao iray izay nihemotra izy, noho, niseho ny loza. Tsy fantatra kosa hoe tsy nazava ve ny fanoroana ka nahatonga ity loza mahatsiravina ity. Nentina haingana nifamonjena tany amin’ny hopitaly Hjra ary rehefa avy nitsakoahana be  dia tsy tana intsony ny ainy nony tonga kelikely tao.

Lehilahy iray hafa, tokony ho 45 taona kosa indray no maty voadonan’ny fiara, teny amin’ny lalana By-pass, ny sabotsy alina. Nirimorimo mafy ilay fiara, araka ny loharanom-baovao. Niezaka niala ihany ilay lehilahy fa mbola voakapoka ilay fiara hatrany. Nipitika roa metatra niala ny fisian’ny lozam-pifamoivoizana ary nikarapoka teo amin’ny tany, izay nitarika ny fahafatesany. Tsy nandositra fa nandray ny andraikiny avy hatrany kosa ilay mpamilin’ ny fiara. Efa mandeha ny famotorana.

L.N

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre