Ambohimitsimbina – Vaviantitra maty nisy namono nandritra ny oram-be
Maro ireo mpandeha an-tongotra tratra alina nandritra ny oram-be nivatravatra, ny zoma lasa teo, ka anisan’izany ny renim-pianakaviana 71 taona, izay monina, eny Ambohimitsimbina. Ity farany izay maty nisy namono manoloana ny vavahady fonenany. Olona sendra nandalo no nahatsikaritra ny razana, tokony tamin’ny 8 ora, ka nampandre avy hatrany ny fianakaviany. Rehefa nozahana ny vata-mangatsiakany dia nahitana mangana teny amin’ny faritry ny masony. Fantatra fa nendahina ilay ramatoa satria tsy hita teo aminy intsony ny poketrany. Ary tsy namelan’ireo jiolahy raha tsy nanaraka hatramin’ny ainy izany. Tsy fantatra kosa ireo nahavanon-doza.
Araka ny fanampim-baovao voaray dia mamely koa ny tsy fandriampahalemana eny amin’iny faritra ambony amin’ny renivohitra amin’ny tsy fisiana jiro mirehitra ka mampahazo laka ireo mpifoko rongony, izay isan’ny mampirongotra ny asan-jiolahy. Efa misokatra ny fanadihadiana sy ny fikorahana ireo olona voakasika amin’ity raharaha famonoana olona ity.
Laurena Nany