Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

Asa any Etazonia – Naiditra am-ponja ilay mpisoloky

Nampidirina am-ponja avy hatrany ilay tovolahy misoloky olona, izay milaza fa mahatafiditra olona hiasa any Etazonia. Ny sabotsy lasa teo no voasambotry ny mpitandro filaminana tao amin’ny trano fisakafoanana iray, tao Anjoma, any Toamasina io tovolahy io. Araka ny vaovao voaray, efa andro maromaro izy no nihaodihaody tany an-tampon-tananan’I Toamasina ary milaza ho mpitantana orinasa lehibe iray matanjaka any Etazonia. Mitety olona maro izy, ary mahavatra manantona ireo sampan-draharaha mitady olona ho jonoina. Amin’izany no ilazany fa mahavita mampiditra olona hiasa amin’io orinasa iandraketany io izy, ary mahavita mambabo ireo lasibatra amin’ny fikarakarana ny atontan-taratasy rehetra ilaina amin’izany mba hanamorana ny fandehanana any. Tsy vitsy ireo olona tratrany izay hakany vola be avokoa ary tsy hita izay nanjavonany avy eo. Nametraka fitairanana tany amin’ny polisy ireo voasoloky ary nandeha ny fikarohana io olon-dratsy io taorian’ny fahazoana didy fampisamborana azy avy tamin’ny fitsarana.

 

Laurena Nany

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre