Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

Namana mpamarina an-kady!

Mirehareha fatratra amin’ny fahatsaran’ny fifandraisana amin’ireo firenena vahiny sokajiany ho namana sy ny sehatra iraisam-pirenena lazaina fa mpiara-miombona antoka amin’i Madagasikara ny mpitondra fanjakana ankehitriny. Toa an-tendro molotra sy an-taratasy ihany anefa izany finamanana tsara fototra izany satria tsy hita izay tena fiantraikany amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Ny mpitondra Fanjakana ihany no manohitra ny teniny ary milaza ombieny ombieny fa ny tsy fisian’ny famatsiam-bola no mahatonga ny fanombohan’ny asa fampandrosoana hitarazoka toy izao. Mampanantena ny hanome ireo lazaina fa namana nefa mampiandry sy mampihemotra hatrany ny fotoana hanomezana ny vola hanatanterahana tetikasa. Raha atao mahitsy ny resaka dia toa zaran’ireo vahiny aza i Madagasikara tsy handroso fa ho farahidiny lava toy izao. Raha tena namana ary mikatsaka ny hanampy ny malagasy ireo firenena vahiny sy sehatra iraisam-pirenena dia manana ary afaka manome ny 5 miliara dolara ilain’ny fitondrana Rajaonarimampianina sy ny governemanta Ravelonarivo hanatanterahana ireo tetikasam-pampandrosoana heverin’izy ireo hanarenana ity firenena. Tsy hanome izany ireo vahiny fa vola kely tsy ampy 100 tapitrisa dolara isaky ny manome no mba foin’izy ireo ho an’ity firenena ity. Ireo vola ireo indray dia mbola samborina ary misy zanany tsy hita pesipesenina. Ny tena olana anefa dia ampahany amin’ireo vola efa kely ampanjanahana ireo ihany no tena ampiasaina ho fampandrosoana ity firenena. Ankoatra ny amphany lasan’ireo “mpanera” dia misy ihany koa ny mihodina any am-paosin’ny manam-pahefana isan’ambaratongany. Tsy vitan’izay ihany fa lany hanakaramana vazaha ny ankabetsahan’ny vola fanampiana ho an’i Madagasikara. Amin’ireny sampan-draharahan’ny firenena mikambana ireny sy ireo fikambanana iraisam-pirenena tsy miankina amin’ny fanjakana mody manao asa soa sy fampandrosoana eto amintsika ireny dia mikarama avo folo na roapolo heny amin’ny malagasy ireo vazaha miasa eto amintsika. Tsy aninona tsy aninona anefa ireny vazaha ireny fa ny malagasy ihany no manao ny asa rehetra. Hamoronana andraikitra hibaiko sy hanambany ary hitavana ny vola nampisamborin’ny fireneny ho an’i Madagasikara fotsiny ny ankamaroan’ireo vazaha monina sy miasa eto amintsika. Tsy velon-komana ary tsy nahita asa tany an-tanindrazany tany ny ankamaroan’ireo vazaha ireo ka omena asa eto Madagasikara. Ny tena olana dia ny malagasy efa tsy mihinan-kanina sy trotraky ny fahantrana no tsy maintsy handoa ireny karaman’ny vazaha ireny satria vola averina sy notrosaina ary nampanjanahana ireo fanampiana nomena an’I Madagasikara ka hanakaramana ireny vahiny ireny.

Tena namana mpamarina an-kady ny sehatra iraisam-pirenena sy ireo firenena mpiara miombona antoka heverin’ny Fanjakana fa hanampy antsika ireo. Nazava be mihitsy, raha hiverenana indray, ireny hafatry ny ambasadaoro marokanina ireny satria nailiny tany amin’ny mpitondra Fanjakana ny tsy fahombiazana. Tsy azo ianteherana ihany koa ny teny fampandriana adrisa nataon’ny solontena maharitry ny firenena mikambana teto amintsika Fatma Samoura izay nandao an’i Madagasikara ny faran’ny herinandro lasa teo ka nilaza fa be ny vita teto. Fitiavan-tena sy fidokafan-tena ny azy satria tsy maintsy miteny ireny izy raha toa ka te hirehareha eo imason’ny lehibeny any andafy any. Tsy hisy olona na iray aza hilaza aorian’ny fahavitan’ny asa nampanaovina azy fa tsy nisy ny fahombiazana. Ho azy no nidokadokafany fa nandeha tamin’ny laoniny ny famerenana ny demokrasia sy ny Lalàmpanorenana ary ny fanatanterahana fifidianana marobe teto amintsika fa tsy ho an’ny fitondrana mijoro mihitsy akory.

Hatreto izany dia karazan’ny miantehitra amin’ny hazo boboka ihany ny mpitondra raha manantena fa ny fanohanan’ny sehatra iraisam-pirenena no ahafahana mampandroso an’i Madagasikara. Efa ho roa taona izao no nanambatambazana ireo mpamatsy vola vahiny fa tsy hita izay tena vokany hatreto. Tsy aleo ve mitodika amin’ny famitranam-pihavanana amin’ny vahoaka malagasy amin’izay satria tsy misy afaka hampandroso ity firenena ankoatra ny vahoaka ao aminy?

 

Ravalo tsy Manana

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre