Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

Mahajanga – Renim-pianakaviana maty nodarohan’ny anadahiny

Vehivavy iray no maty tsy tra-drano nodarohan’ny anadahiny, omaly maraina, tao Morafeno, any Mahajanga. Tsy fantatra ny antony nahatonga ny disadisa teo amin’izy mianadahy fa niafara tamin’ny famonoana izany. Araka ny fitantaran’ny zanak’ilay namoy ny ainy, izay nanatri-maso ny trangan-javatra dia nifamaly be ny reniny sy ny dadatoany tamin’io fotoana io, noho ny, tsy fitoviana hevitra. Samy niziriziry nitana ny heviny izy roa izay niafara tamin’ny fikasian-tanana. Tsy nanaiky anefa ilay renim-pianakaviana fa niezaka nanohitra ny anadahiny ka raikitra ny ady teo amin’ny roa tonta.

« Nodarohan’i dadatoa avy ao an-damosina ny neniko avy eo ka torana tsy nahatsiaro tena ary nidaraboka teo amin’ny tany. Noheveriny fa mody torana ny neniko ka mbola nodakany indray nasainy niharina nefa tsy nihetsika intsony. Rehefa nojereny akaiky anefa avy eo dia hitany fa tsy niaina intsony. Natahotra izy dia vaky nandositra. Izaho kosa avy eo niantso vonjy teo amin’ny manodidina sady nikikiaka mafy hoe maty neny fa vonjeo », hoy hatrany ny fitantaran’ny nanatri-maso.

Raha ny omaly maraina anefa dia mbola tsy nisy ny fandraisana andraikitry ny manam-pahefana sy ny mpitsabo, na dia, efa nampandrenesena momba ity vono olona ity aza izy ireo, araka ny fanampim-baovao avy any an-toerana.

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre