Vontovorona – Zazavavy 4 taona nosokirina tao ambany taksibe
Nitrangana lozam-pifamoivoizana nampihorin-koditra, teny amin’ny fiantsonan’ireo taksibe Vontovorona, ny alahady hariva teo. Zazavavy kely 4 taona monja no voatery nosokirina tao ambanin’ny fiara fitateram-bahoaka iray. Niaraka tamin’ny reniny sy ny rahavaviny iray ilay zaza, no nofaohan’ilay taksibe avy aty aoriana. Nianjera avy hatrany tao ambanin’ny kodiaran’ilay fiara mandeha izy. Fa ny nahagaga ireo nanatri-maso dia tsy naninona mihitsy izy na dia voadona mafy ka notaritin’ilay taksibe aza.
Naratra mafy ilay niharam-boina, anisan’izany ny feny izay toa efa rovitra niala ny vatany ary ny ilany kosa tapaka avy hatrany.
« Raha ny fahitana ny toe-pahasalamany dia tokony nodidiana izy mba ahafahana mandalina tsara sy mba hisorohana ny mety ho fahasarotana mifandray amin’ny lalan-dra sy ny lohavanianan’ny taolana taorian’ny fametrahana ny lalotra. Saingy mbola tsy azo atao eto amintsika izany », hoy ny loharanom-baovao avy ao amin’ny hopitaly Hjra.
Raha hiverenana kosa ilay lozam-pifamoivoizana dia voatery niafina ilay mpamily ilay fiara niala ny hatezeran’ny olona. Nitaky ny hanaovana fitsaram-bahoaka avy hatrany izy ireo, araka ny loharanom-baovao.
Laurena Nany