Miverina tsikelikely ny loza
Mampatsiahy ny zava-misy tamin’ny taon-dasa ireo loza manambana rehetra amin’izao fiandohan’ny taona izao. Iaraha-mahita fa efa mitovy tamin’ny fahasimban-dalana nisy tamin’ny fiandohan’ny 2015 ny lavadavaka rehetra manerana ny renivohitra sy ny fotaka miampy tany mihotsaka manerana ny firenena vokatry ny rotsak’orana misy amin’izao fotoana izao. Tena mitaraina ny mpampiasa fiara satria maro sy ngeza sady lalina loatra ireo lavaka mameno arabe ka efa tena manimba fiara sy mampitombo ny fitohanan’ny fifamoivoizana. Toy izany ihany koa ny risika mety hisian’ny tondra-drano sy tra-boina marobe satria efa manomboka miha betsaka sy tsy ankiato ny rotsak’orana. Ny hita sy tsikaritra dia tsy nahomby ny fepetra noraisin’ny tompon’andraikitra mba tsy hiverimberenan’ireny fahavoazana vokatry ny loza voajanahary ireny. Miverina tsikelikely ihany koa ny fahatapahan-jiro sy rano lavareny na dia efa voapetraka aza ny foto-drafitr’asa rehetra hanafoanana izany. Niezaka ihany ny fitondram-panjakana ary nisy ny asa natao izay andaniana fotoana sy vola saingy tsy naharitra firy ny zava-bita fa karazan’ny vonjy tavanandro ihany ka vao nirotsaka ny orana dia rava avokoa. Voatery tsy maintsy hamorona vola be hafa indray ny fitondrana mba hanamboarana ireo foto-drafitr’asa rehetra simba amin’izao fotoana izao. Raha natao tsara anefa ireny tamin’ny herintaona dia mba afaka nampiasaina tamin’ny zavatra hafa ny vola. Ankoatra ny lalana sy fefiloha ary tany mihotsaka dia ahiana ihany koa ny fahamaroan’ny olona lasa tra-boina noho ny fiakaran’ny rano sy ny mety handravan’ny rivo-doza ny tranon’izy ireo. Raha sanatria tena mitranga tokoa izany rehetra izany dia ahiana hisy fiantraikany amin’ny asa fampandrosoana indray. Mazava rahateo ny tenin’ny Filoham-pirenena tamin’ireo kabary maromaro izay nataony fa ny fahavoazana vokatry ny loza voajanahary no anisan’ny antony iray lehibe nanakana ny asa fampandrosoana teto amintsika tamin’ny taon-dasa. Izany hoe mila fepetra haingana hisorohana sy mba fampihenana, dieny izao, ny fiantraikan’ny fahavoazana ateraky ny loza voajanahary eny amin’ny vahoaka. Hatreto anefa dia karazan’ny miady irery sy tsy misy mpihaino ihany ny vahoaka madinika, satria tsy mbola nisy ny fandraisana andraikitra hanamafisana ireo fefiloha atahorana ho vaky sy hanetsemana ireo lavaka be manerana ny arabe, ary ihany koa fanamboarana ireo tatatra fanarian-drano tsentsina. Nisy ihany ny fampanantenana nataon’ny minisitera sasantsasany ny hanamboarana ny lalana saingy mbola miandry fotoana kely ny fanombohan’ny asa.
Ankoatra ny voajanahary dia mitohy sy mihamafy indray ny loza ateraky ny fifamoivoizana. Na dia teo aza ny fepetra noraisin’ny mpitandro filaminana sy ireo kaoperativa misahana ny fitaterana dia tsy laitra ny fananarana ireo mpamily sasany fa vao mainka manao izay danin’ny kibon’izy ireo amin’ny tsy fanajana ny fepetra sy ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana. Mbola maro ireo fiara tsy ara-dalàna ara teknika no mifamoivoy sy miasa ka ireny no tena mitera-doza ho an’ny fiaraha-monina.
Mbola loza hatramin’ny taon-dasa ary miverina sy mihamafy ihany koa ny tsy fandriampahelamana sy ny risika hisian’ny adin’ny samy fokonolona. Tany amin’ny faritra atsimon’ny nosy izao dia efa saika nifandripaka ny mponina avy amin’ny kaominina roa samihafa raha tsy nalaky nandray ny andraikiny ny mpitandro filaminana. Amin’izao fotoana izao ihany koa, misy ny disadisa eo amin’ny fikambanan’ny zanak’Androy sy ny zandary izay lazain’izy ireo fa namono tsy an-drariny olona tsy manan-tsiny ka takiana ny hanasaziana ireo mpitandro filaminana nahavita heloka.
Loza efa mihatra avokoa ireo rehetra ireo saingy azo sorohina tsy hitatra raha toa ka mahay maka fanapahan-kevitra haingana sy mahomby ny mpitondra. Tsy voatery hiandry ny voina ho mafy vao hihetsika fa dieny izao dia atao izay fomba rehetra hiarovana ny vahoaka sy ny fananany amin’ireny karazan-doza rehetra ireny.
Ravalo tsy Manana