Jirama – Rivotra no mivoaka amin’ny paompy
Nisahotaka ny vahoakan’Antananarivo omaly hariva, indrindra ireo mpatsaka satria namoaka rivotra avokoa ny ankamaroan’ny paompy. « Tsy misy rano mandeha fa rivotra be mitsoka mafy no mivoaka amin’ny paompy », hoy fitantaran’ireo mpatsaka teny Antaninandro. Tsy fantatra izay nahatonga io tranga hafahafa io fa araka ny filazan’ny olona dia somary nandeha mora kely ny rano taorian’ilay orana nilatsaka tsy naharitra ela omaly tolakandro. Avy eo dia tsy nisy rano nandeha intsony fa feo mikasokasoka mafy sy rivotra ve sisa nivoaka nandritra ny 20 minitra teo ho eo. Taorian’izay dia ranom-potaka be fotsiny no nivoaka tamin’ny paompy ary niandry ela mihitsy vao nadiodio ny rano. Mitaraina ny mpanjifa fa isaky ny avy ny orana dia maloto be foana ny rano avy amin’ny Jirama. Manana ny fanazavany izay milaza fa azo sotroina tsara ny rano amin’ny paompy ny teknisianin’ny Jirama saingy ny ahiahy tsy ihavanana satria rehefa alaina amin’ny tavoahangy ny rano ka ajanona iray andro ao dia hita mitsika ery ambany ny vovo-potaka mavomavo be.
Dom