Lozam-pifamoivoizana – Lehilahy iray maty tany Sambava
Lehilahy iray, tokony ho 30 taona, nitondra fiara tsy mataho-dalana no namoy ny ainy tamin’ny lozam-pifamoivoizana niseho tany Sambava, ny harivan’ny alatsinainy, tamin’ny 7 ora sy sasany tany ho any. Nirimorimo mafy ny fiara nentin’ io lehilahy io avy any Sambava centre ka nivadika avy hatrany rehefa tonga teo Ambodisatrana. Nisy alika nanapaka ny arabe tampoka ka niala izany no nampivadika ambony ambany ilay fiara. Izy irery ihany no tao anatin’ilay fiara. Nifamonjen’ireo olona nanatri-maso ny zava-niseho ary nentina haingana tany amin’ny hopitaly Besopaka izy ary omaly maraina vao mangiran-dratsy dia tsy tana intsony ny ainy. Araka ny fanambaran’ny loharanom-baovao dia efa higagan’ny olona ao an-toerana io lehilahy io amin’ny fandehanana mafy. Efa ataon’ny olona loha-dresaka mihitsy izy amin’izany fandehanany mafy be izany ary lazain’izy ireo fa misangy faty. Tsy sambany ihany koa izy io niharan’ny lozam-pifamoivoizana tahaka izao fa tamin’ity indray mitoraka ity vao nanaraka hatramin’ny ainy, raha toa, ka mivoaka velona amin’ny ratra foana izy hatramin’izay.
Laurena Nany