Vous êtes ici :

Jeudi 28 Novembre 2024

ombre

Andoharanofotsy – Mpivady tratra alina nidiran’angano

Nisehoana tranga hafa kely indray teny amin’ny faritra Andoharanofotsy ny alatsinainy alina lasa teo, tokony tamin’ny 10 ora teo no niseho ny tantara. Mpivady tratra alina indray no niharan-doza raha hamonjy fodiana. Teny an-dalana mantsy dia nifanena tamin’ny tovolahy tokony eo amin’ny 26 taona izy roa kely. Ity farany izay avy dia nanatona sy niresaka tamin’ilay ramatoa. Tezitra noho izany ilay rangahy vadiny ka nampiaka-peo sy nikasi- tanana ilay tovolahy vao erotrerony. Niafara tamin’ny ady moa izany ka dia raikitra ny totohondry tanaty fotaka nandritra ny orana nikija mafy. Vokatry ny fifampikasihan-tanana dia naratra mafy teo amin’ny loha sy ny faritry ny maso ilay zazalahy. Tao aorian’izany dia nentina teny amin’ny tobim-pahasalamana CSBII Andoharanofotsy ilay lehilahy izay efa tsy nahatsiaro tena intsony. Tsy voalohany amin’ny tranga toy itony ity niseho ity fa efa maro ireo tratra alina misy manendaka sy manao sinto-mahery, ary fampiresahana tsotra foana no tetika entin’ireo olon-dratsy manatanteraka izany.

Indrindra moa amin’izao vaninandro fahavaratra izao, miampy ny tsy fisian’ny poton-jiro izay manome vahana ireo mpanao ratsy. Ka raharaha notadiavina ve sa fiarovana no nataon’ny vadin’ilay ramatoa ?

T.A.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre