Vous êtes ici :

Vendredi 29 Novembre 2024

ombre

Antanimena – Miverina indray ny mpanendaka

Somary nangingina ny resaka fanendahana sy fanaovana sinto-mahery teny Antanimena nandritra ny fotoana fohy. Miverina indray izy amin’izao fotoana izao ary maro ireo efa lasibatra. Tao anatin’ny iray andro dia teratany vahiny roa, lahy sy vavy, no indray lasibatra.

Ny alatsinainy lasa teo no nitrangan’izany ka ny iray ny atoandro ary ny faharoa kosa ny hariva. « Ramatoa vazaha no notafihan’ny mpanendaka tokony ho tamin’ny 12 ora atoandro teo. Efa narahiny maso mihitsy raha ny fahazoako azy satria vao variana ilay ramatoa,  avy dia nosintomin’ilay tovolahy ny firavaka volamena teny amin’ny tendany. Naratra kely mihitsy ilay ramatoa, ary noho ny fahatairana dia tsy nahavita na inona na inona akory manoloana ny zava-nitranga. Ny ora nitrangan’ilay fanendahana rahateo amin’ny ora maha betsaka ny mpandalo ka mora tamin’ilay mpangalatra no nitsoaka », hoy Fano mitantara ny zavatra hitany momba ity fanendahana ity. Na ny niantso vonjy aza izany tsy vitan’ilay voaendaka akory.

Tsy niandry ela fa ny harivan’ny alatsinainy io ihany dia mbola teratany vahiny ihany no lasibatra saingy lehilahy indray kosa.

« Tao anaty fiara ilay vazaha no tratran’ilay mpangalatra. Tao anaty fitohanan’ny fiara no nanaovany ny asa ratsiny. Teo amin’ny seza akaikin’ny mpamily no nisy azy ary tsy nihidy tanteraka ny fitaratra teo aminy. Tsy nisokatra tanteraka anefa fa ambonimbony ihany saingy mbola hitan’ilay mpanao sinto-mahery ihany ny hevitra nakana ilay kitapo nentiny. Avy dia nosintominy ka teo vao nikoropaka ilay vazaha. Nisy nahatsikaritra anefa ny zava- nitranga ka avy dia nisy ireo nanenjika ilay mpangalatra. Natahotra angamba ity farany ka natsipiny ilay kitapo avy nangalariny dia lasa izy nitsoaka. Nisy vola 100 000 ariary tao anatin’ilay kitapo ka tsy nisy banga izany ary tafaverina manontolo tamin’ ilay tompony », hoy ny lehilahy iray nanatri-maso.

N.F

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre