Vous êtes ici :

Vendredi 29 Novembre 2024

ombre

Fanolanana – Teratany vahiny iray nosamborina

Tao Ambodiatafana distrikan’i Sainte Marie no nitranga ny tantara. Ankizivavy 15 taona no voalaza fa nisy nanolana ny herinandro lasa teo. Tsy mbola fantatra mazava kosa anefa ny fitrangan’ity fanolanana ity saingy voaporofo kosa fa nisy ny fanolanana. Rehefa nitantara ny nanjo azy tamin’ny ray aman-dreniny ity tovovavy ity dia nentina nizaha mpitsabo avy hatrany. Nahazo ny fanamarinana avy tamin’ity farany noho izany izy ireo vao nandeha nitory teny amin’ny mpitandro filaminana.

Natao ny famotorana sy fakana am-bavany ilay voaolana ka nandritra izany no nilazany fa teratany vahiny no nanapatra ny filany taminy. Mba hanamarinana ity tranga ity dia nandefasana taratasy fampiantsoana azy ilay voalaza fa nanolana. Tsy hita tao amin’ny misy azy anefa ilay vazaha ka voatery nokarohina. Vetivety ihany koa dia niely ny resaka momba ity raharaha ity ka efa samy niomana ny hisambotra sy nanao ny fikarohana avokoa ireo fokonolona.

Nisy nahita ny nitoeran’ilay vazaha ary io olona io no avy dia niantso  ny mpitandro filaminana. Nosamborina avy hatrany moa ity voarohirohy ity.

N.F

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre