Vous êtes ici :

Vendredi 29 Novembre 2024

ombre

Dr Feziny Séraphine – 10 taona nitsaboana tamin’ny alàlan’ny Spiruline

Efa safidy fony kely ny hanao mpitsabo dia notazomina hatramin’ny farany izany na dia teo aza ireo sakana tamin’ny fitsaboana sy ny fampiasana ny Spiruline. Tsy zanak’olona manan-karena i Dr Feziny Séraphine ka tsy maintsy nivarotra rehefa tonga ny fialan-tsasatra mba hividianana ireo fitaovana ilaina tamin’ny fianarany. Na dia teo aza ireo sakana rehetra ireo dia tsy nisaraka taminy ny fivavahana izay nanome fahatokisan-tena azy tanteraka ka na tsy nisy mpamatsy vola azy dia tanteraka ihany ny faniriany.

Spiruline

Spiruline plantensis no anarana siantifika. Farihy natoraly tany Tchad no nisy azy voalohany. Nisy mosary tany an-toerana tamin’izany ary ireo olona nisotro io rano io dia velona avokoa fa ireo tsy nisotro kosa dia maty. Ny Spiruline dia misy otrik’aina fanampin-tsakafo. Ny taona 1970 no nanomboka ny fambolena azy, manasitrana ny aretina sarotra sitranina rehetra izy io. Maro ny tombontsoa azo avy amin’ny  fihinanana ny  Spiruline. Azo ampiarahana tsara amin’ny fitsaboana izy noho ny tanjaka ananany ka manapotika ireo karazan’aretina miforona amin’ny vatana. Ho an’ny marary dia azo tsapain-tanana ny fivoaran’ny fahasalamana rehefa  mihinana azy. Mampiakatra sy mampitombo haingana be ny hery fiarovana ao anatin’ny vatana izy. Tsy mahalava velona ny olona ny aretina toy ny aretim-po, lalan-drà, ny diabeta sy ny aretina mitarazoka ka mitarika amin’ny fahafatesana. Miaro ny olona tsy ho voan’ny homamiadana, manala izay mety ho poizina entin’ny fanafody ampiasaina satria betsaka ny marary no mampiasa izany. Tsy miandry fotoana ela dia miverina amin’ny fahasalamany tanteraka ilay olona rehefa mampiasa ny Spiruline. Efa aman’arivony ireo olona nahita tombontsoa tamin’ny fampiasana izany.

 

Ireo làlana nodiaviny

Raha izaho manokana dia efa voatefy hatramin’ny voalohany ny maha-mpitsabo ahy satria tsy zavatra nandeha ho azy teo amin’ny fiainako izany. Raha faritana amin’ny ankapobeny hatramin’ny fahazazako dia nisy zavatra sarotra foana teo amin’ireo làlana rehetra nodiaviko ary miandry faharesen-dahatra avy aty amiko foana vao tontosa izay kasaiko. Tamin’ny 2 novambra 1975 aho no teraka  tany Morondava ary mpampianatra avokoa ireo ray aman-dreniko. Enina mianadahy izahay ary izaho no zaza voalohany. Nianatra tao amin’ny sekolin’ny masera tany Morondava aho. Nametrahana andraikitra sy nampianarina hikarakara olona hatramin’izay aho, izay nitarika ny fahatokisan-tenako ary efa nitaizako ny vatako hatramin’ny fahakely izany.

Tamin’ny faha-12 n’ny taonako, kilasy fahasivy aho tamin’izany, dia nafindra hiasa taty an-drenivohitra tao amin’ny Ceg Antanimena ny raiko. Nianatra tao amin’ny Lisea Jean Jacques Rabearivelo aho rehefa afaka Bepc. Afaka Bacc série C aho telo taona taty aoriana, 17 taona aho tamin’izay ary tafiditra hianatra ho dokotera  mpitsabo teny Ankatso. Ny fitiavana fivavahana nanaraka teny ihany ka nampivadiana tamin’ny teolojia ny fianarana. Namerina kilasy rehefa tonga tao amin’ny taona fahatelo. Niteraka ny zanako faharoa kosa aho tamin’ny taona fahadimy, voatery nijanona teo amin’ny Aea ny fianarako. Nianatra fianarana asa tao amin’ny ivo-teoram-pahasalamanan’ny fiangonana katolika kosa aho tamin’izay ka napetraka taty amiko ny fitantanana. Teo no nipoitra ilay hevitra hanasitrana amin’ny alalan’ny Spiruline ny taona 2006 satria tsapako fa tsy noho ny tsy fananana vola no tsy mahasitrana fa ny fanafody ampiasaina no tsy mahasitrana ilay aretina. Tamin’ny taona fahadimy aho no efa naheno ny fanasitranana  amin’ny alalan’ny Spiruline ka io no tadidiko taty aoriana. Efa fantantsika kosa angamba ny zavatra niseho teny Antanimena ka nahatonga ahy hanokatra ny « Centre médical Marie Stella » eto Analamahitsy.

Ny tanjon’i Dr Feziny

Faniriako ny hahatafita ireo fitsipika amin’ny fitsaboana. Satria ny fitsaboana dia tsy ny fanomezana ny fanafody fa famelomana ny vatana ary ny hahatafita izany amin’ireo mpitsabo namako sy ireo marary no tanjoko. Raha tafita izay dia tsy hisy intsony ny aretina tsy azo tsaboina. Faniriana ihany koa ny hanitarana ity toeram-pitsaboana ity.

Ary amin’izao fankalazana ny faha-10 taona nitsaboana amin’ny alàlan’ny Spiruline izao, hisy ny fanentanana momba ny aretina diabeta, ny homamiadana satria tsy ampy ny fotoana hampianarana ireo olona amin’ny fitsaboana tena ka ny volana may sy ny oktobra no fotoana hanaovana izany amin’ity taona ity. Misaotra an’Andriamanitra ihany koa tamin’ny fitiavana nomeny ahy sy ny fahatokisana napetrany tamiko hatramin’izay.

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre