Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

Very fihinanana !

Mangidy vao manomboka ity taona ity ho an’ny ankamaroan’ny vahoaka malagasy satria efa maro sahady ireo tsy manan-ko hanina. Lany ny vola noraisina farany talohan’ny fetin’ny krismasy sy faran’ny taona ary midi-trosa sy misambo-bola ary mivaro-pananana ny ankamaroan’ny fianakaviana. Eny amin’ny tsenan’ny entana tonta eny Isotry sy 67ha dia mivangongo ny fanaka sy ny kojakoja an-tokantrano mandeha amin’ny herinaratra izay amidy varo-boba noho ny tsy fananana. Ireo miasa kosa dia efa marobe sahady no nangataka ny fanomezana mialoha ny ampahan-karama (avance ) satria tena tsy misy vola ampiasaina intsony. Tena sahirana ny vahoaka ary tsy mahagaga raha maro ireo miraviravy tanana satria tsy ampy intsony ny vola miditra isam-bolana. Rehefa tena dinihina sy ampitahaina amin’ny any ivelany dia tsy ny karama eto Madagsikara no kely fa ny sandam-bolantsika mihitsy no tena ambany. Izany hoe na hanondrotra karama aza ny mpampiasa, tsy hisy fiantraikany firy amin’ny fanatsarana ny fiainan’ny mpiasa izany. Hisondrotra avokoa mantsy ny vidin’entana rehetra ka ny eo ihany no eo. Manana andraikitra lehibe ny fitondram-panjakana amin’ny fitadiavana vahaolana faran’izay haingana ampiakarana ny sandan’ny Ariary satria izay ihany no antoka mahomby ahafahana mampihena ny vidim-piainana sy ny vidin’entana eny an-tsena.

Tsy ireo miasa sady mikarama isam-bolana ihany no sahirana amin’izao fotoana izao fa indrindra indrindra ireo miasa tena ihany koa. Ireo mpikarama isam-bolana mantsy no mpanjifan’ireo mpanao asa tena toy ny mpivarotra, sy mpitatitra ary ireo mpanao asa an-tselika madinidinika isan-karazany. Efa iaraha-mahita ny manjo ireo mpivarotra amoron-dalana an’arivony izay tsy afaka manao ny asany eny amin’ny araben’Antananarivo intsony. Rariny sy hitsiny raha esorina izy ireny satria sady tsy ara-dalàna no manembatsembana ny fifamoivoizana  ary ihany koa mandoto tanàna sy mampirongatra ny sinto-mahery nefa kosa tsy azo hadinoina fa vahoaka madinika ary olombelona mihinan-kanina sy mamelom-bady aman-janaka ka tsy maintsy mitady vola isan’andro. Mila mametraka rafitra mazava sy mahomby ahafahan’ireny mpivarotra voaroaka ireny hanohy ny asany amin’ny sehatra manara-dalàna ny fitondram-panjakana satria malagasy mila mihavo-tena izy ireny. Toy izany ihany koa ireo mpitarika posy sy sarety izay tsy mahazo mivezivezy eto an-drenivohitra amin’ny atoandro intsony. Manahirana ny zava-misy satria very fihinanana ny madinika raha rarana tsy hanao ny asany nefa ihany koa tsy ara-dalàna ary manelingelina sy manakorontana ny fifamoivoizana ny asa ataon’izy ireo.

Tsy ny madinika ihany anefa no very fihinanana fa na ireo olona manana andraikitra ambony sy tsara tohana eo anivon’ny fitantanan-draharaham-panjakana ihany koa. Raha misy tokoa mantsy ny fanovana governemanta dia an’arivony ny ho very seza sy fihinanana rehefa zatra nitavana ny tombontsoa mihoa-pampana teo anivon’ny fitondram-panjakana. Tsy ireo minisitra irery no hiova miaraka amin’ny governemanta fa ireo mpiasam-panjakana ambony rehetra ihany koa. Ho rava ny tsena hoy ny fitenenana satria ho lany ihany ny paiso an-kady. Ry zareo aza efa mba zatra nandray be ary afaka nanangona tamin’ny fotoana nitavanany ny tombontsoa fa ireo madinika kosa dia tsy mba afaka nanangona kely akory satria ny azo anio tsy ampy ary ny  hanina rahampitso mbola ho tadiavina.

Tsy mahagaga raha an-jatony no misisika sy manao ny fomba rehetra hahatafiditra azy ireo anatin’ny lisitr’ireo loholona miisa 21 ho tendren’ny filoham-pirenena. Mazava mantsy fa ho tafiditra ho anisan’ireo mpanefoefo sy manontany ny ory ary tsy hahalala intsony ny antsoina hoe fahantrana izay rehetra lasa loholona eo. Mihoa-pampana ny tombontsoa, alaina amin’ny volam-bahoaka, tsy maintsy omen’ny Fanjakana ireo senatera vaovao.

 

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre