Mahabo – Zaza efatra nataon’ny dahalo takalon’aina
Niseho indray ny fanafihan-dahalo tany amin’ny distrikan’i Mahabo iny, raha somary efa nangingina izany tao ho ao. Dahalo 40 lahy nirongo basim-borona no nanafika ny fokontany Morafeno, ao anatin’ny kaominina Ankilivalo, ny alatsinainy 18 janoary vao mangiran-dratsy, tokony tamin’ny 4 ora. Tamin’ny fomba feno herisetra no nentin’ireo dahalo nanao ny fandravana tamin’io fotoana io. Tsy nisy sahy nanohitra ireo fokonolona noho ny hamaroan’isan’ireo olon-dratsy sy ny basy nampiasain’izy ireo ka nanao izay tiany tamin’ny fandravana araka izany ireto dahalo izay fantatra fa naharitra hatramin’ny ora vitsivitsy. Lasa tamin’izany ny omby miisa 135 tany ho any.
Dahalo roa namoy ny ainy
Tsy vitan’ny nandroba ny fananan’olona izy ireo tamin’izany fa mbola lasa nataony takalon’aina ihany koa ny zazavavy tsy ampy taona miisa 4 teo an-tanàna. Ora vitsy taorian’ny nandaozan’ireo olon-dratsy ny tanàna vao sahy niantso vonjy sy nanao hazo lava ary teo noho eo ihany dia niroso tamin’ny fanarahan-dia ny zandary sy ny miaramila ary ny fokonolona. Nifankatratra ny andaniny sy ny ankilany rehefa tany Andranovorikaolo izay 15 kilometatra avaratra ny tanànan’Andranovoribe, kaominina Befotaka. Raikitra ny fifampitifirana ka maty lavon’ny bala ny mpitandro filaminana ny roa tamin’ireo dahalo, raha toa ka naratra mafy ny fokonolona miisa 2. Nandositra kosa avy eo ireo dahalo izay tsy maty. Tafaverina avokoa ireo zaza natao takalon’aina sy ny 129 tamin’ireo omby raha toa ka efa maty novonoin’ireo olon-dratsy ny enina.
Laurena Nany