Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

Mananara avaratra – Olona efatra maty nilatsaham-potaka

Tsy mitsahatra ny mamono olona ny varatra ka tamin’ity indray mandeha ity, olona efatra no indray maty tany amin’ny distrikan’i Mananara avaratra, ny alahady lasa teo. Marihina fa fianakaviana iray ireo namoy ny ainy ireo. Avy be ny orana tamin’io andro io narahina tselatra sy kotroka mafy. Tao an-trano niresadresaka ny fianakaviana no tampoka teo nisy tselatra sy zavatra nidoboka mafy. Ireo olona efatra ireo noho izany no nilatsahany ka teo no ho eo dia tapitra ny ain’izy ireo.

Vao tsy ela izay dia telo mianaka ihany koa no maty vokatry ny filatsahan’ny varatra, tao an-tampon-tanànan’Ambositra, fokontany Ambohimanjaka. Raha tsiahivina dia avy niava vary izy ireo ary nahandro sakafo avy hatrany nony  tonga tao an-trano ka nandritra izay fotoana izay no nirefotra ny varatra. Maty tsy tra-drano ny ramatoa iray sy ny zanany iray raha toa ka tany amin’ny hopitaly no namoy ny ainy ny iray hafa.

L.N

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre