Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

Tovolahy nisarahan’ny sipany – Nisotro poizim-boalavo

Tovolahy iray 20 taona nisarahan’ny olon-tiany no namono tena nisotro poizim-boalavo. Ny alatsinainy lasa teo no nisehoan’izany, teny Besarety. Raha ny angom-baovao dia nanana olana tamin’ny sipany izy io, ka nitarika ny famoizam-po. Resaka hasarotam-piaro no fototry ny olana. Rafitra ny fifamialana izay niafara tamin’ny fisarahana. Tsy zakan’ilay tovolahy izany ka nanapitra ny ainy no sisa vahaolana hitany farany. Nalainy ny fanafody famonoana voalavo tao an-tranony ary nentiny tao amin’ny efitra fatoriany ka iny no nisotroany avy eo.

Tsy nisy nahalala ny zavatra niseho ny tao an-trano raha tsy izy efa narary mafy niantso vonjy. Taitra ny reniny ka nihazakazaka nijery ny mahazo an-janany. Efa ilay tovolahy malemy no hitany tao ka nifamonjena nentina tany amin’ny hopitaly avy hatrany. Efa manaraka fitsaboana ao amin’ny Hjra ilay zazalahy amin’izao fotoana izao. Araka ny fanambaran’ny mpitsabo dia mbola tsy afaka ny loza izy ary aorian’ny 24 ora vao afaka mamaritra tsara ny fivoaran’ny toe-pahasalamany.

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre