Vous êtes ici :

Vendredi 29 Novembre 2024

ombre

Fitsipaky ny miala maina

Mihetsika mafy ny mpikambana sasany eo anivon’ny governemanta nanomboka tamin’ny herinandro lasa teo. Raha tombanana tsotra dia toa vonona ny hiasa be ary hitondra vokatra miavaka ho an’ny fanatsarana ny fiainam-bahoaka. Minisitera vitsivitsy no tena hita fa manao izay ho afany dia ny Fanabeazam-pirenena, ny Rano, ny Asa vaventy, ny Tetikasan’ny filoham-pirenena, ary ny misahana ny Fandriampahalemana. Tsy misy maharatsy izany miasa ho an’ny vahoaka izany ary tena ankasitrahana ny zavatra ataon’izy ireo saingy toa karazan’ny efa tara loatra ihany raha toa ka izao vao hihetsika sy hisehoseho ny sasany. Mitodika any amin’ny fanovana governemanta avy hatrany ny sain’ny mpanara-baovao izay mihevitra fa misy amin’ireo minisitra no te hijanona amin’ny toerany ary ny hafa kosa te ho tendrena senatera. Karazan’ny kajikajy politika ihany izany ny fanombohan’ny asa mampihetsiketsika ny minisitra sasany amin’izao.

Ity resaka fanamboaran-dalana ity no tena mampametra-panontaniana ny vahoaka satria isan-taona izao amboarina hatrany nefa tsy hita izay fiovana eo. Tampenana ny lavaka nefa raha vao avy ny orana dia miverina ny lavaka be rehetra eny amin’ny arabe. Manamarika ihany koa ireo mpandraharaha madinika miantsehatra eo amin’ny asa fanamboaran-dalana fa toa orinasa vitsivitsy izay efa fantatra fa mpiara-miasa akaiky amin’ny minisitera hatrany no mahazo ny tolotra. Tsy maharitra anefa ny asa ataon’izy ireny fa tsy miherina akory ny taona dia efa simba sahady ny lalana rehetra manerana ny tanàna.

Mampihomehy araka ny fitenin’ny tanora ny zava-misy eto an-drenivohitra fa ifandrombahan’ny mpikambana ao amin’ny governemanta atao ny asa rehetra tokony ataon’ny ben’ny tanàna. Na efa namoaka vava aza mantsy ny minisitry ny Rano fa tsy hamoaka vola hanesorana ny fako intsony dia mbola mijoro sy miasa mitady vahaolana hatrany ho fanadiovana an’Antananarivo. Mety ny ataony ary tena ilain’ny vahoaka saingy mipetraka ny fanontaniana hoe haharitra hatramin’ny rahoviana? Raha sanatria mantsy izy ho tafiditra amin’ireo  hesorina rehefa miova eo ny governemanta dia atahorana tsy hitohy ny ezaka vao natombony tsy ela akory izay. Toy izany ihany koa ny resaka fanamboaran-dalana eto Iarivo. Misy risika betsaka ho tendrena senatera ny minisitra misahana ny tetikasan’ny filoham-pirenena sy ny minisitry ny Asa vaventy. Dia atahorana tsy hitohy ny tetikasa efa natsidik’izy ireo. Mahagaga ny zava-misy sy fomba fiasa eto amintsika satria rehefa amin’ny fotoana mampitsingilahila ny governemanta vao tena miasa ireo minisitra. Nandritra ny taona 2015, izay nalalaka sy nahafahana nampiseho ny fahaizana rehetra anefa toa samy variana tany amin’ny nisy azy tany avokoa. Rehefa tsy maintsy hiova ny governemanta izay vao samy mampiseho fa miasa. Mazava ho azy anefa fa tsy hitohy avy hatrany ny asa efa natombokla raha toa ka ovaina sy soloina ireny minisitra ireny. Ho sahirana ny filoha amin’ny fanendrena mpikambana vaovao eo anivon’ny governemanta satria sarotra ny hanolo ireo hita fa efa nanomboka asa. Izay rahateo anefa no tanjon’ny rehetra izay mody miasa mba tsy hesorina amin’ny toerana. Sarotra ny fandidiana sy ny kajikajy hoy ny fomba fiteny saingy kosa miandry fanendrena ireo loholona miisa 21 ary ihany koa ny fananganana ny governemnta vaovao dia ho hita eo ny zava-misy. Mandra-piandry izany dia mety*** ho an’ny vahoaka ny fitsipaky ny miala aina ataon’ireo minisitra matahotra ny hesorina amin’ny toerany. Tena miasa be izy ireo raha oharina tamin’ny fihetsiny nandritra ny taona 2015 lasa iny. Hoy ny vazivazin’ny vahoaka hoe tokony atao isam-bolana ny fandrefesana ny zava-bitan’ireo minisitra ka izay tsy mahazo vokatra tsara dia hesorina ary tsy omena ny karama tokony ho noraisiny akory. Inoana fa hiasa be avokoa ny tompon’andraikitra rehetra raha izay no mitranga.

Ravalo tsy Manana

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre