Vous êtes ici :

Vendredi 29 Novembre 2024

ombre

Sambava – Olona migadra mandra-pahafaty no mpanao fanafihana

Velo taraina  ny mponina any Sambava manoloana ny fahenoana fa ilay jiolahy iray voaheloka migadra mandra-pahafaty ihany no fantatra fa fototry ny fanafihana mitam-piadiana miseho ao an-toerana. Nanomboka ny taona 2008 no efa nadoboky ny Fitsarana tany amin’ny fonjan’Antalaha izy io nefa izao tratra miriaria izao. Tao anatin’ny taksiborosy avy any Ampanefena hihazo an’i Sambava izy sy ny namany telo hafa no saron’ny mpitandro filaminana niaraka tamin’ny kalachnikov tsy nisy laharana intsony sy bala miisa 63 ary fanamiana miaramila, ny alatsinainy lasa teo. Vehivavy ny iray tamin’izy ireo ary izy io no fantatra fa mpanoro ny toerana ho tafihana.

Nandritra ny fanadihadiana azy ireo no nahafahafana namantatra fa izy efatra ireo no tompon’antoka tamin’ny fanafihana niseho tamin’ny tokantrano roa samihafa, tany Befamelona Antsahavaribe, ny 26 desambra 2015 lasa iny. Lasa ny vola 5 tapitrisa ariary sy volamena 30 grama ary basy iray, tao amin’ny trano voalohany ary vola mitentina 22 800 000 ariary kosa tamin’ny trano faharoa, izay volan’ny lavanila.

Mampametra-panontaniana ny olona any Sambava amin’izao fotoana izao ny fomba nivoahan’ity jiolahy raindahiny ity tao am-pigadrana. Nefa tsy nisy ny fahenoana fa misy fonja vaky tany Antalaha na koa nisy gadra nitsoaka. Ahiana ho misy ny firaisana tsikombakomba amin’ireo mpiandry fonja sy ireo mamita sazy ao.

 

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre