Vous êtes ici :

Vendredi 29 Novembre 2024

ombre

Fifampitifirana tao Ambohimilanja – Lavon’ny balan’ny zandary i Sahala

« Afa-doza izahay aty amin’ny sisiny atsimon’ny faritra Amoron’i Mania fa maty ilay dahalo raindahiny antsoina hoe Sahala raha nangalatra omby miisa 89 niaraka tamin’ny namany miisa 60 nirongo basy mahery vaika, ny 14 Janoary lasa teo, tao Ambohimilanja sy Soatanana, distrika Manandrina », araka ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana. Raha tsiahivina dia nirefodrefotra  ny basy tamin’ny nidiran’ireo dahalo tao amin’ireo tanàna roa ireo, tokony tamin’ny 11 ora atoandro. Nisy ireo nandositra avy hatrany raha vao nahita ireo olon-dratsy fa nisy kosa ireo sahy nanohitra saingy be noho ny vitsy ka dia niala maina ireo fokonolona. Nisy mihitsy moa ireo namoy ny ainy  nandritra izany fifandonana izany.

Zandary 3 sy fokonolona 250 nanao ny fanarahan-dia

« Raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny zandary miisa 03 sy ireo dahalo izay nampian’ireo fokonolona miisa 250 eo ho eo ka tamin’izany no nahalavo an’i Sahala sy ny namany iray. Tafaverina avokoa ireo omby », araka ny fanampim-baovao. Aiza daholo ireo zandary sy miaramila natao hisahana ny tsy fandriam-pahalemana any amin’iny toerana iny ? Sanatria ve ireo manam-pahefana telo ireo ihany no mifehy io tanàna io. Tsikaritra mantsy fa ireo fokonolona natao arovany indray no maro an’isa noho ny mpitandro filaminana amin’ny fanoherana ireo olon-dratsy. Tokony asiana fiheverana ihany ny toy izao.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre