Vous êtes ici :

Samedi 30 Novembre 2024

ombre

Fitsaram-bahoaka – Mpangalatra iray naratra mafy

Lehilahy iray no naratra mafy niharan’ny fitsaram-bahoaka, tany Toamasina, manoloana ny lapan’ny Fitsarana, omaly tokony tamin’ny 12 ora tany ho any. Nangarom-paosy olona iray teny an-toerana izy io no tsikaritry ny lasibatra ka tsy namelany raha tsy naratra mafy. Nahita izany ny manodidina dia nidaroka sy namono ihany koa  ka tsy afa-nihetsika mihitsy ilay mpangalatra. Efa voa mafy ity farany vao natolotra ny mpitandro filaminana. Nalefa avy hatrany kosa tany amin’ny hopitaly any an-toerana izy mba hahazo fitsaboana. Araka ny fanampim-baovao voaray anefa dia atahorana fatratra ny fahasalaman’ ity mpangalatra ity amin’izao satria tsy misy havana mikarakara mihitsy izy eny amin’ny tobim-pahasalamana.

 

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre