Besarety – Zaza menavava nariana tao anaty tatatra
Tranga mampalahelo sy mampivarahontsana no niseho, teny Besarety, omaly maraina, tamin’ny 5 ora. Zazarano vao teraka no narian-dreniny tao amin’ny tatatra manoloana ny tsena eo an-toerana. Mbola teo aminy ny tadim-poitra tamin’ny nahitana azy. Ny mponina mandalo no naheno ny feon-jaza mitomany ary rehefa nojerena dia zazavavy kely vao teraka ity nariana ity. Avy hatrany dia nampandre ny sefo fokontany ireo olona ireo ary nidina teny an-toerana ity farany nijery ny zava-misy ary nandray an-tanana ny fikarakarana ilay zazakely. Nampilazana ny mpitandro filaminana avy eo ka nidina teny izy ireo niaraka tamin’ny mpitsabo. Raha ny fizahana natao dia salama tsara io zaza io. Vao nariana kelileky ilay zaza no nisy nahita fa raha tara kely dia efa tsy naman’ny velona intsony izy, araka ny filazan’ny mpitsabo. Tsy fantatra kosa ilay renim-pianakaviana nahavanon-doza. Efa eo am-pelatananan’ny mpitandro filaminana ny raharaha ary efa mandeha manaraka izay ihany koa ny fikarohana ilay nanary zanaka. Izao toe-javatra mampalahelo izao dia mampiseho fa tena mahantra tokoa ny malagasy ka ny zanaka naloaky ny kibo aza dia fohy ariana sy iniana vonoina mihitsy noho ny tsy fahampiana tafahoatra.
Laurena Nany