Lozam-pifamoivoizana – Niharan-doza ny filoha Ojm sy ny Ben’ny tanànan’Ivato
Nisehoana lozam-pifamoivoizana teny Imerinafavoany, omaly hariva. Niharan-doza ny fiara nitondra ny filohan’ny holafitry ny mpanao gazety (Ojm) Rakotonirina Gérard sy ny Ben’ny tanànan’Ivato Penjy Randrianarisoa. Handeha hamonjy fodiana izy roalahy ireto no nofaohan’ny fiara 4×4. Tsy nisy ny aina nafoy fa mbola tsaboana ireo naratra. Araka ny loharanom-baovao dia Ingahy ben’ny tanàna no tena voa mafy tamin’ity loza ity fa nisy voa teo amin’ny lohany. Efa nalefa nody omaly kosa ny filohan’ny Ojm rehefa nahazo fitsaboana sahaza azy fa ny ben’ny tanàna no mbola arahina akaiky ny fahasalamany eny amin’ny Hjra