Vous êtes ici :

Vendredi 01 Novembre 2024

ombre

Tanetilava Rn6 – Tafakatra 150 000 ariary ny fampitana fiara

Fahoriana no mahazo ireo mpamily sy mpandeha any amin’iny lalam-pirenena Rn6 iny rehefa fahavaratra toy izao amin’ny afitsoky ny oram-baratra, raha fifaliana kosa ho an’ireo vatan-dehilahy monina eny Tanetilava, amin’izao fahatapahan-dalana izao. Lasa fitadiavam-bola ho azy ireo ny mampita fiara eo amin’ny « radier ». Araka ny loharanom-baovao 20 000 ariary ka hatramin’ny 150 000 ariary ny saran’ny fampitana fiara iray ao an-toerana.

Marihina fa misy ihany ny tetezana ao Tanetilava saingy efa dibo-drano ka tsy afaka ampiasaina intsony. Voatery miandry hatrany amin’ny adiny fito ireo mpitatitra vao midina ny rano ary amin’izay vao afaka miampita, izay tsy maintsy sarihin’ireo vatan-dehilahy matanjaka ireo ny fiara iray, raha lakam-by kosa no hitaterana ireo mpandeha izay mianto-tena tsirairay ankoatra ny saran-dalana izay efa mahazatra, araka ny loharanom-baovao hatrany. Manoloana ity fijaliana mahazo ireo mpampiasa ity lalana ity isaky ny fotoam-pahavaratra tahaka izao dia miantso ny ministeran’ny Asa vaventy mba hijery akaiky izao fahoriana mahazo azy ireo izao.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre