Fifamoivoizana – Asiam-panitsiana ny fitaterana an-tanety
Mba ahafahana manatanteraka ny asa nampiandraiketina ny antokon-draharaha misahana ny fitanterana an-tanety (A.T.T) dia hisy ny fanitsiana sy fanavaozana ny sanda fanomezana ny taratasin’ny fifamoivoizana eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’izany ny fanomezana ny taratasy fahazoan-dalàna mitrandraka zotra sy ny taratasy fahazoan-dalàna manokana ary koa ny saram-pisoratana anarana amin’ny fanadinana fahazoan-dàlana mamily fiarakodia. Araka ny tatitra nataon’ny Kolonely Rakotondrazafy Andriantsarafara, filohan’ny ATT, omaly, nandritra ny valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety dia 500 ariary isaky ny mihetsika no aloan’ny fiara iray isan-taona araka ny faritra iasany sy ny toerana ary ny vidin’ny toerana iray izay efa voafaritra ao anatin’ny fiantohana. Ho an’ny sanda mifandraika amin’ny fanomezana ny taratasy fahazoan-dalana mitrandraka zotra sy ny taratasy fahazoan-dalana manokana, ny sanda efaina dia mitovy amin’ny sanda amin’ny vidin’ny toerana iray ary ampitomboana ny isan’ny andro hiasan’ny fiara sy isan’ny toerana andoavam-bola ho an’ny fiara tsirairay. Ny saram-pisoratana anarana amin’ny fanadinana fahazoan-dàlana mamily fiarakadia ho an’ny mpiadina tsirairay kosa dia havaozina isaky ny sokajy. Araka ny vaovao voaray hatrany dia hihatra manomboka amin’ny alatsinainy voaloahany’ny volana febroary 2016 izao izany.
Laurena Nany