Vous êtes ici :

Vendredi 01 Novembre 2024

ombre

Sambava – Dimy lahy nanafika magazay, lasa ny vola 1 miliara

Mitady hahazo vahana ny tsy fandriampahalemana any amin’ny distrikan’i Sambava. Nitrangana fanafihana mitam-basy mantsy tao an-tampon-tanàn’izany toerana izany, ny alin’ny alatsinainy lasa teo, tokony ho tamin’ny misasak’alina. Magazay lehibe « grossiste » iray ao Antanifotsy no notafihin’ny jiolahy dimy lahy nirongo basy poleta vita gasy. In-efatra nanapoaka basy ireto jiolahy ireto ampitahorana ny mponina, ka lasa tamin’izany ny vola be 1 miliara ariary sy entana tao amin’ilay magazay.

Marihina fa fanafihana mitam-basy magazay fanindroany izao no nitranga tany Antanifotsy io. Vao roa volana mahery izay dia nisy nanafika  ihany koa io tanàna io ka nahafatesana vehivavy mpitam-bola iray sy naharatrana hafa koa.

Amoron-dalana avokoa ireo toerana roa  voatafika ireo fa ny tena mahalasa saina sy mahasorena ny mponina amin’ny mpitandro filaminana  any an-toerana dia tsy hita mihitsy ireto farany vao misy trangam-panafihana tahaka izao. Sanatria ve lasa fanjakan’ny baroa ny eto Sambava ? Hoy ny loharanom-baovao.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre