Vous êtes ici :

Samedi 28 Décembre 2024

ombre

Beroroha – Naratra voakapa famaky ilay ramatoa, raha voatifitra kosa ilay rangahy

Mbola mitohy hatrany ny tsy fandriampahalemana any amin’ny tanànan’i Beroroha. Tokantrano iray indray no lasibatry ny jiolahy mitam-piadiana ny alin’ny alarobia lasa teo. Nirefodrefotra ny basy tamin’izany fotoana izany ka raiki-tahotra avokoa ny manodidina. Izay indrindra no nararaotin-dry zalahy niditra an-keriny tao amin’izany tokantrano izany. Notifirin’izy ireo avy hatrany mantsy ny fanalahidim-baravarana izay nahafahan’izy ireo niditra. Nanamparan’ireo olon-dratsy ny heriny amin’izay ny tao an-trano rehefa tsy nanaraka izay nolazainy. Nokapain’izy ireo ny famaky ilay ramatoa, raha toa ka voatifitra rangahy vadiny. Rehefa naratra mafy tsy afaka nanohitra azy ireo amin’izay izy mivady dia norobainy avokoa ny entana sarobidy tao an-trano ary lasa izy ireo avy eo nandeha. Ireo naratra kosa nentina namonjy toeram-pitsaboana. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha.

 

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre