Vous êtes ici :

Samedi 28 Décembre 2024

ombre

Manakara – Voasambotra ny lahiantitra iray nikasa hangala-jaza

Rangahy be iray no nosamborin’ny mpitandro filaminana, tany an-tampon-tanànan’i Manakara, ny alarobia lasa teo fa saika hangala-jaza. Tsy tao an-trano ny ray aman-drenin’ilay zaza ka ny renibeny no nitaiza azy ka nentiny nandehandeha ny zafikeliny izay vao telo taona monja. Tamin’izay indrindra anefa dia tonga avy any ity lehilahy lehibe ity nisintona ilay zaza teny an-tananan’ilay ramatoa be, manoloana indrindra ny toerana famonoam-biby sady nanambana sabatra azy. Lasany noho izany ilay zaza ary vaky nandositra izy io avy eo. Niantso vonjy avy hatrany ilay renim-pianakaviana ka raikitra ny fanenjehana an’ilay rangahy, izay tsy lasa lavitra dia tratran’ny fokonolona niaraka tamin’ilay zaza. Naverina tamin’ny renibeny ilay tsy manan-tsiny avy eo fa ilay mpangala-jaza kosa natolotra ny mpitandro filaminana any an-toerana. Mbola tsy fantatra kosa ny antony nahatonga ity lehilahy lehibe ity hanao izao fihetsika hafahafa izao. Mandeha ny famotorana.

 

L.N

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre