Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

Mampihorohoro vahoaka !

Mahavantana an’ ity fitondram-panjakana ankehitriny ity mihitsy ny miresaka fanonganam-panjakana. Lazaina fa misy mikononkonona asa fanakorontanana atsy, misy miketrika savorovoro aroa,…ary nanaovana dokam-barotra amin’ny haino aman-jery mihitsy ho fanentanana ny olona tsy handray anjara amin’ny « fanonganam-panjakana » sy ny tsy « hanaovana sorona ny vahoaka ». Iza marina no tena miketrika izany e ? Maninona tsy ampahafantarina hoe : izatsy na izaroa no mikasa hanakorontana eto amin’ny firenena dia samborina sy entina eo anatrehan’ny fitsarana ary omena ny sazy sahaza azy.

Hatreto aloha tsy mbola nisy vondrona na olon-tokana iray nilaza sy nijoro fa mitaky fanonganam-panjakana. Ireo hery matanjaka ara-politika rehetra izay afaka mifampitana tsara amin’ny mpitondra fanjakana ankehitriny dia efa samy nilaza avokoa fa vonona hiandry ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny taona 2018. Ny vahoaka ihany koa dia tsy mankasitraka izany fanonganam-panjakana izany.

Toa lasa fampihorohoroana anefa ny fivoizana fa misy mikononkonona « fanonganam-panjakana » sy asa « fanakorontanana » eto. Ny tena loza dia ry zareo mpitondra fanjakana ihany no lasa mamboly izany ao anaty sain’ny vahoaka. Niaraha-nahita ireny zava-nisy teny Ambohijatovo tamin’ny sabotsy lasa teo ireny. Tsy nisy olona na iray aza nilaza fa hamory vahoaka teo amin’io toerana io tamin’iny andro iny nefa dia nolazaina fa voarara sy tsy azo atao ny mivorivory eo ary nandefasana mpitandro filaminana maro be.

Mahavariana ny maro ny zava-mitranga toy ireny satria ny jiolahy sy olon-dratsy miparitaka, mameno sy mandravarava any anaty fiaraha-monina rehetra any, tsy misy mpitandro filaminana hita manara-maso azy ireny nefa zaridaina natao hilalaovan’ny ankizy no atao tsara ambina. Tsy hisy fanonganam-panjakana izany eto ary tsy misy olona miketrika izany na iray aza. Raha sanatria ka misy tokoa izany dia eo ny mpitandro filaminana tandroka aron’ny vozona handray ny andraikiny hiaro ny andrim-panjakana, ary ny vahoaka sy ny fananany.

Tsy fanjakana no ahiana hiongana eto fa olom-boatendry eny enivon’ny andrim-panjakana samihafa. Tsy nanafina rahateo ny filoha fa misy ireo olona any anaty governemanta any no tsy dia azo tokisana tsara intsony. Izany hoe, ireny olona ireny no mety esorina sy haongan’ny filoha amin’ny toerany ka hanendrena olona vaovao hisolo azy ireny. Raha ny zava-misy izany dia ireo samy manana andraikitra ao amin’ny fitondram-panjakana ihany no hifanongana satria izy samy izy ihany no mifampitsikera sy mifanao tati-bolana ka tonga amin’ny tsotsori-mamba isarahana. Hatreto aloha, andrim-panjakana roa no mihozongozona dia ny Governemanta sy ny Antenimieram-pirenena. Lojika raha ny firodanan’ny governemanta no lasa aloha  noho ny fahabangan’ny minisitra ao aminy satria nisy ireo notendrena ho loholona. Fotoanan’ny fanovàna mpiara-miasa rahateo ny toy izao raha ny fomba fiasan’ny filoha koa misy herijika betsaka ny mety andravany ny governemanta ka hanendreny olom-baovao hiara-hiasa aminy. Amin’izao fijoroan’ny Antenimieran-doholona izao ihany koa dia misy risika ho an’ny Antenimieram-pirenena ny ho ravan’ny filoham-pirenena. Nahavita namingampingana ny asan’ny fahefana mpanatanteraka mantsy ity andrim-panjakana mpanao lalàna eny Tsimbazaza ity ary zatra miova loko toy ny tanalahy ny sasany amin’ny mpikambana ao aminy ka loza mananontanona hatrany ho an’ny governemanta sy ny fiadidiana ny Repoblika. Niaraha-nahita tamin’ny taon-dasa fa efa imbetsaka saika niongana ny filoha sy ny praiminisitra raha tsy teo ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana niaro azy ireo. Raha ireo rehetra ireo no jerena dia tsy fanonganam-panjakana no hisy eto fa fanonganana andrim-panjakana mba hanamafisan’ny filoha ny fahamarinan-toerany sy ny fahefany. Ireo tompon’andriakitra ambony no mihorohoro fa ho very seza sy fahefana ary tombontsoa dia ezahin’izy ireo aparitaka any amin’ny vahoaka izany tahotra be manjo azy ireo izany. Lazaina fa misy miketrika fanonganam-panjakana mba hampihorohoro ny vahoaka !

 

Ravalo tsy Manana

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre