Vous êtes ici :

Jeudi 28 Novembre 2024

ombre

By-pass – Vehivavy iray hita faty

Vehivavy iray no hita faty ary ahiana ho nisy namono teny amin’ny By-pass, omaly maraina. Olona handeha hamonjy fiasana vao maraina no nahita ny razana ka nampandre ny manodidina. Araka ny filazan’ny manodidina dia mpiasan’ny orinasa lehibe iray eny Tanjombato ity namoy ny ainy ity. Tratra alina, avy teny amin’ny fiasany, io vehivavy io ary nandeha an-tongotra ka ahiana ho nendahan’ny jiolahy sy naolana ary notaperina hatramin’ny ainy. Mbola tsy fantatra kosa ny fahamarinan’izany hatreto satria tamin’ny fotoana nidinana teny amin’ny toerana nisy ny razana dia mbola tsy tonga ireo tompon’andraikitra nanao ny fizahana.

Manoloana ny fomba hafahafa nahafatesanan’ity vehivavy ity dia maro ireo olona teny amin’ny manodidina nanome tsiny ity orinasa niasan’ny lasibatra. Araka ny feo re teny an-toerana mantsy dia mirava alina be foana ny mpiasa amin’izany orinasa izany anefa tsy misy fiara  mpitatitra fa samy maka ho azy ny rehetra rehefa hamonjy fodiana. Aiza noho izany ny fanarahamaso ny asa ? hoy hatrany ireo mponina. Tsy sambany  izao fa vao iray volana monja dia maty nisy namono ihany koa ny roalahy mpiasan’ity orinasa ity.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre