Port-Bergé – Mpivaro-mandeha notsindromin’ny makorelina antsy
Tsy nanome vola ny lehilahy mpivaro-mandeha iray ka naratra mafy notsindromin’ny mpampanofa vatana ny antsy. Tany Port-Bergé no nitrangan’izany ny voalohan’ny volana febroary lasa teo. Araka ny fampitam-baovao voaray dia nifanaraka tsara izy roa fa hiaraka. Rehefa tonga tany amin’ny trano fandraisam-bahiny iray tany an-toerana anefa izy ireo dia nilaza fa tsy afaka ny hiaraka amin’ilay lehilahy indray ilay vehivavy fa hoe tonga fotoana. Natory tsy nisy firaisana izany ny roa tonta. Nony maraina anefa ny andro dia nitaky vola ilay mpivaro-tena fa tsy nanome vola azy ilay rangahy. Tezitra tamin’izany ilay ramatoa ka nitabataba mafy ary niafara tamin’ny fandratrana ilay mpivaro-mandeha. Tsy nisalasala mantsy iry voalohany naka ny antsy avy tao anaty poketrany ary notsindromina tamin’izany ilay rangahy ka nahavoa ny faritry ny kibony. Nijininika ny rà eran’ny efitrano ary vaky nandositra kosa ilay nahavanon-doza. Niantso vonjy noho izany ny lasibatra ka olona iray tompon’andraikitra tao amin’ilay trano natorian’izy ireo no niezaka namonjy azy ary nitondra ny naratra tany amin’ny hopitaly tao an-toerana. Vokatry ny ratra mafy nahazo azy anefa dia tsy maintsy nampiakarina tao amin’ny hopitaly Androva any Mahajanga izy ary tsy misy atahorana intsony ny ainy amin’izao fotoana izao.
L.N