Vous êtes ici :

Jeudi 28 Novembre 2024

ombre

Zava-mahadomelina – Sarona teny Ambodivona ilay mpaninjara rongony

Fanomezam-baovao avy amin’ny olona tsara sitra-po no nahafahana nisambotra ny rangahy iray 45 taona, izay mpaninjara rongony any Ankazobe. Ny talata 2 febroary lasa teo no nahatratraran’ny polisy miady amin’ny fidorohana zava-mahadomelina azy io teny Ambodivona raha iny handray fiara fitaterana hihazo an’Ankazobe iny.

Mbola sarona teny aminy ny fonosona rongono an’arivony. Tamin’ny fanadihadiana natao taminy no nahalalana fa any Ankazobe izy no monina. Mandeha mividy zava-mahadomelina eny Ambohimanarina no antony hiakarany aty an-drenivohitra. Tsy mamatsy ireo rongono ihany no ataony fa mifoka ihany koa ranamana araka ny filazany. Efa ho enim-bolana no nanaovany izany ka raha vidiany 1 000 ariary ny iray fonosana dia tombanany 1 400 ariary kosa izany rehefa tonga any aminy. Natolotra ny fampanoavana omaly ny lehilahy.

L.N

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre