Vous êtes ici :

Jeudi 28 Novembre 2024

ombre

Raharaha fakana an-keriny an’i Arnaud sy Annie – Mbola karohina i Stéphanie sy Kalanoro

Taorian’ny nampidirana am-ponja ireo olona 10 voarohirohy tamin’ilay resaka fakana an-keriny an’i Annie sy Arnaud tany Toamasina ny taona 2015 dia nitohy hatrany ny fikarohana nataon’ny Polisy misahana ny heloka bevava eny Anosy sy ny « Police judiciaire » any Toamasina. Nanomboka ny 27 ka hatramin’ny 30 janoary lasa teo, niampy telo ireo olona nosamborina mahakasika ity raharaha ity ka vehivavy ny iray ary tompon’andraikitra ao amin’ny kaominina any Toamasina kosa ny faharoa. Ity farany izay voalaza fa mitazona ireo fitaovam-piadiana nampiasana nandritra iny fakana an-keriny iny. Izy rehetra ireo izay voaporofo fa nifandray sy niray tsikombakomba tamin’ny Tidakely tamin’ny alalan’ny finday. Izy ireto izay efa naiditra am-ponja vonjimaika amin’ny fonja samihafa ny 2 febroary lasa teo.

Vehivavy miisa roa ihany koa no namoahan’ny Fitsarana didy fikarohana amin’izao fotoana izao dia i Vita Rosine Mpimasy na i Kalanoro sy Roger Lala Stéphanie. Iry voalohany izay efa nigadra noho ny raharaha fakana an-keriny hatrany sy fikambanan-jiolahy nefa voalaza fa nandositra ny fonja ny volana jolay 2015 lasa iny. Araka ny loharanom-baovao avy amin’ny Polisy dia izy no mpanome toromarika ireo mpaka an-keriny nandritra ny « kidnapping » ny taona 2014 iny.  Tamin’ny fikarohana an’i Stéphanie no nahalalana fa niara-nandositra any izy roa vavy ireto. Noho izany dia manao antso avo ny Polisy mba iantsoana ny laharana finday 034 05 517 26 na hanatona avy hatrany  tobin’ny Polisy na ny Zandary akaiky azy indrindra raha manana vaovao mahakasika azy ireo fa ho raisina ho tsiambaratelo tanteraka izany vaovao izany.

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre