Mosary io any Atsimo io !
Manomboka mahasorena ny vahoaka ny fihainoana ny fanazavan’ireo teknisianina momba ny sakafo izay milaza fa tsy mosary no misy any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy fa tsy fanjarian-tsakafo. Mahasorena satria toa mandatsa ireo efa tsy mahita arapaka sy lasa taolan-katsaka noho ny tsy fihinanana. Na mosary io na tsy fanjarian-tsakafo, mitovy ihany ny fiantraikany dia ny tsy fihinanan’ny olona sakafo. Mahamenatra sy maharikoriko indraindray ny fireharehan’ireo miseho ho manam-pahaizana izay mifikitra fotsiny amin’ny fitondrana fanazavan-kevitrra fa tsy mitondra vahaolana akory. Ny olona efa tsy mihinan-kanina nefa mbola misy sahy miseho ho be hevitra ihany ary miady mafy mba tsy ilazana fa mosary ny Atsimo. Resaka voam-bolana fotsiny izany rehetra izany ary tsy hitondra vahaolana na oviana na oviana fa sakafo sy rano no ilain’ny olona efa mosarena. Tompon’andraikitra feno ny fitondram-panjakana amin’ny fisian’ny mosary any Atsimo ary tsy afaka manilika andraikitra na amin’iza na amin’iza. Nahita vola be nividianana fiaramanidina ary milaza ny manana vola be hikarakarana ny fivorian’ny frankofonia nefa tsy manana vola andefasana sakafo maimaim-poana ho an’ny mponina tsy mihinan-kanina. Ataon’ny gasy inona ny hisaina izany frankofonia izany raha mbola misy mpiray tanindrazana tsy homan-kanina ?
Tena manao vain-drahalahy tsy mba marary ny mpitondra eto amintsika ary tsy mivaky loha firy amin’izay manahirana ny vahoaka. Efa hatramin’ny taon-dasa no nahenoana fa tsy ampy sakafo ny olona any amin’ny faritra Atsimo ary nisy mihitsy ireo narary noho ny fihinanana zavamaniry tsy azo antoka satria tsy misy sakafo arapaka. Tsy ampy ny fandraisana andraikitra manoloana izany matoa hatramin’izao dia mihamafy io voina vokatry ny kere io.
Niarahan’ny rehetra nahita anefa ny ady hevitra be mikasika ny fidangan’ny vola ho ampiasain’ny fiadidiana ny Repoblika ao anaty teti-bolam-panjakana amin’ity taona ity. Mba ohatrinona amin’ireny izao no natokana itsinjovana ny vahoaka tsy mihinan-kanina ? Ny any Atsimo moa no malaza amin’izao fotoana izao fa saika manerana an’i Madagasikara mihitsy no mijaly amin’ny hanohanana. Na eto an-drenivohitra aza dia saika misy hatrany ny olona matin’ny hanohanana sy ny aretina eny an-dalana eny isan-kerinandro. Ny antontan’isa farany ihany koa milaza fa saozanina sy tsy ampy lanja ary tsy mitombo ara-dalàna ny ankamaroan’ny zaza malagasy noho ny tsy fahampian-tsakafo.
Tena kere ny malagasy ary mosarena ny vahoaka na inona na inona filazan’ireo teknisianina. Ny sakafo misy fa ny vola ividianana no tsy misy ! Mitovy amin’ny tsy misy sakafo ihany izany. Ny atao hoe misy sakafo mantsy dia ny ao am-bilany ho loarana aroso ny mpianakavy ihany. Rehefa tsy tonga ao an-trano ny sakafo dia karazan’ny tsy misy ihany.
Mbola mahasorena ny maro ihany koa ny fomban’ny mpitondra Fanjakana sasany izay mangataka fanampiana amin’ny vahoaka mba hanampiana ireo havana any Atsimo tsy mihinan-kanina. Mazoto manome sy manampy ny mpiray tanindrazana aminy ny vahoaka satria voin-kava-mahatratra saingy sorena amin’ny mpitondra izay tsy mahay ankoatra ny mangataka. Rehefa tsy afa-po amin’ny vola azo any amin’ny sehatra iraisam-pirenena dia ny vahoaka efa mafy ady indray no angatahana. Raha ny tokony ho izy dia mila ahena ny fandaniana mihoa-pampana izay tombontsoan’ireo nomena seza eo anivon’ny fitondram-panjakana. Tafiakatra amina miliara maro be ny vola voaangona raha toa ka foanana avokoa ny tombontsoa omena ireo manam-pahefana tsy haninona tsy haninona ka karama isam-bolana ihany no ho raisin’izy ireo. Nofy anefa izany ary tsy hanao izany ny mpitondra. Rehefa botrabotra izy rehetra dia izay ny asa fampandrosoana. Izay vahoaka mahantra any tsy misy ‘mpahita’ sy tsy misy ‘mpahatsiaro’.
Ravalo tsy Manana